MPANAO GAZETY ZOKIOLONA. AO AMIN'NY AKADEMIA MALAGASY NY FOTOANA NY ALAKAMISY 05 SEPTAMBRA 2019

Samedi, 31 Août 2019 06:01 Conférence
Imprimer

Araka ny fanasana hitanareo eto ambany dia hotontosaina ao amin'ny Akademia Malagasy ao Tsimbazaza ny fivoriana famaranana ny Fankalazana ny faha-25 taona nijoroan'ny CJD (Club des Journalistes Doyens) na Fikambanan'ny Mpanao Gazety Zokiolona eto Madagasikara.

Ao anatin'io fandaharam-potoana, izay hanomboka amin'ny valo ora maraina io, dia hisy famelabelarana ho ataon'i Rahajarizafy Rémi mikasika an'i Rakotondrasoava Georges, filohan'ny CJD taloha, sy fampiratiana ho ataon'ny vady aman-janany.

TONGAVA MARO indrindra ianareo mpanao gazety tanora!

Jeannot Ramambazafy

Mpanao Gazety Zokiolona

Mis à jour ( Mercredi, 13 Mai 2020 09:06 )