]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Fianarantsoa. MAPAR: elanelam-bato 78 hitondra ho aiza?

Fianarantsoa. MAPAR: elanelam-bato 78 hitondra ho aiza?

 

FANAMBARANA

Mankasitraka ny vokam-pifidianana navoakan’ny Tribunal Administratif ny Fianarantsoa ny 18 Septambra 2015 lasa teo :

HVM 9770 na 36,32%

MAPAR 9692 na 36,03%

Dia isaoranay ny Fitsarana nanao ny adidiny. Kanefa tsy ankasitrahanay izany voka-pifidianana izany noho ireto zavatra voatsikaritra manaraka ireto :

- Ny fanafoanan’ny Tribunal Administratif ny voka-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana iray (Mahazengy) dia manamarina fa nisy ny hala-bato sy ny hosoka.

Tsy io ihany anefa no tokony ho nofoanana, fa noho ny teritery sy fampihorohoroana nataon’ny manampahefana tamin’ireo mpitsara tompon’andraikitra dia tsy afaka nampihatra ny lalàna tamin’ireo biraom-pifidianana hafa nahitana hosoka voaporofo ihany koa izy ireo ;

- Eo anatrehan’izany dia tsy maintsy hampakatra ny raharaha eo anivon’ny Conseil d’Etat izahay araka ny fahefana nomen’ny lalàna anay.

· Manoloana ireo tsaho maro isan-karazany ezahina aparitaka, fa tambazana toerana ho minisitra mba hanaiky ny voka-pifidianana dia tiako ny manambara fa tsy dia mahasarika ahy velively izany fa ny zava-dehibe amiko dia ny fanajàna ny lalàna, ny marina fa indrindra ny safidim-bahoaka ;

· Eo anatrehan’izany dia mitodika manokana amin’ny vahoakan’ny fianarantsoa aho mba hijoro mandrakariva amin’ny fiarovanao ny safidinao mba hanoherana ny hala-bato sy ny hosoka ary ny teritery. Izany fanoherana izany no antoky ny fifidianana mangarahara sy azo antoka ;

· Ilaina ve ny mampahatsiahy fa araka ny fomba ampiharin’ny Fitsaràna Tampony (Conseil d’Etat) mahakasika ny vokam-pifidianana mifanakaiky toy itony (HVM 9770 na 36,32% sy MAPAR 9692 na 36,03%, elanelam-bato 78) dia ny famerenana ny fifidianana no vahaolana tsara indrindra ?

· Mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe : hanao ahoana ny fomba hitantanana ampitoniana ny tanànan’ny Fianarantsoa amin’ny voka-pifidianana toy itony ?

 

Antananarivo, faha 23 Septambra 2015

Christine Razanamahasoa

Filoha nasionalin’ny Vondrona MAPAR

Kandida tamin’ny fifidiana natao ny 31 Jolay 2015


Mis Ă  jour ( Jeudi, 24 Septembre 2015 14:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety