]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Antananarivo 21 avril 2018. CRAM mangataka ny fametram-pialan’ny tompon’andraikitra voalohany tamin’izao «rà mandriaka» izao

Antananarivo 21 avril 2018. CRAM mangataka ny fametram-pialan’ny tompon’andraikitra voalohany tamin’izao «rà mandriaka» izao

CERCLE DE RÉFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR


FANAMBARANA


Ny mpikambana amin’ny Birao nasionalin’ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) dia manao izao fanambarana manaraka izao mikasika ny habibiana nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ny mpiray tanindrazana aminy teo Analakely ny 21 avril 2018.


MANEHO NY FIARAHA-MIORY

Ny CRAM dia maneho ny fiaraha-miory amin’ireo mahery fon’ny firenena sady tia tanindrazana lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana malagasy nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka am-pilaminana, teo Analakely ny asabotsy 21 avril 2018, izay tonga hiaino ny tatitra ataon’ireo Solombavam-bahoaka voafidy teto Antananarivo Renivohitra, notronin’ireo Solombavam-bahoaka rehetra izay nitsipaka ny volavolan-dalàna fehizoro laharana 05/2018 mahakasika ny fepetra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny laharana 06/2018 mahakasika ny fifidiana Filohan’ny Repoblika ary ny laharana 07/2018 mahakasika ny fifidianana solombavam-bahoaka teo anivon’ny Antemieram-pirenena.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy ireo izahay.

Mirary fahasitranana haingana ho an’ireo olona rehetra izay naratra sy sempotry ny zera «bombes lacrymogènes » vary raraka nataon’ny mpitandro filaminana.


MANGATAKA NY FAMETRAHAM-PIALANA

Manoloana ny fampiasan’ny mpitondra fanjakana ny mpitandro filaminana ho fitaovana:

- namoretana sy nentina nanampenam-bava ny vahoaka ;

- nampiasan-kery tamin’ny solombavam-bahoaka teo anaoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy tamin’ny mponina sivily ;

- nitifirana ny mpiray tanindrazana aminy ka nahatonga izao habibiana izao izay tsy mendrika intsony amin’ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny ;


Ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar » (CRAM) dia :

- Manameloka tanteraka izany fihetsiky ny mpitondra fanjakana izany ;

- Mangataka ny fametram-pialan’ny tompon’andraikitra voalohany tamin’izao «rà mandriaka» izao mba tsy hitohizan’izany fandrimpahana ny ain’ny mpiray tanindrazana izany intsony manomboka ny alatsinainy 23 avril 2018 mba hifikirana eo amin’ny fitondrana.


Marihina fa :

- araka ny voafaritry ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha efatra (4) ao amin’ny andininy 56 :« Ny Filohan’ny Repoblika no Filoha Faratampon’ny Foloalindahy ka izy no miantoka ny maha iray tsy mivaky azy. » (…) ;

- na dia miantso fitoniana sy fifanantonana aza ny mpitondra fanjakana manoloana izao krizy goavana eto amin’ny firenena izao ka mbola manao ny fomba rehetra hanampenam-bava ny vahoaka izy ireo sy mampiasa ny herim-pamoretana hatrany hiarovana ny seza ary mitady ny tetika rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika amin’ny volana novambra 2018 ho tombontsoan’ny mpitondra ankehitriny irery ihany dia hiafara amin’ny fifandonana sy ny « fitokonana faobe manerana an’i Madagasikara » izany, izay tsy maintsy hitarika amin’ny fionganan’ny mpitondra. Aza adino fa «ny hery tsy mahaleo ny fanahy» ary «efa maimbo rà ny vahoaka» izay iharan’ny kolikoly, ny jadona, ny fivarotana tanindrazana amin’ny fanomezana ny tany sy ny fidrandrahana ny harem-pirenena ho an’ny vahiny, ny fitsaram-bahoaka, ny sakan-dalàna ataon’ny jiolahy amin’ny mpandeha fiara iombonana amin’ny lalàm-pirenena, ny tsy fananana asa ho an’ny tanora maro an’isa, ny fanampenam-bava, ny vaky fasana, ny fandorana tanàna tany Antsakabary, ny asan-dahalo, ny fametavetana masera, ny tsy fandriampahelamana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, ny tsy fitsinjarana ara-drariny ny fahefana sy ny harem-pirenena, ny tsy fananan’ny fitsarana ny fahaleovantenany, ny fahantrana lalina mianjady amin’ny maro an’isa kanefa ny vitsy an’isa migalabona amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy ny fanodikodinana ny volam-bahoaka ;

- zanam-bahoaka ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy ka tsy hamela irery ny mpiray tanindrazana aminy amin’izao tolona ho fanavotana an’i Madagasikara izao izay hitondra ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenena ny firenena.


« NY FAHAMARINANA NO MANANDRATRA NY FIRENENA ».


Masina ny Tanindrazana.

Andriamanitra miaro an’i Madagasikara.


Alasora, faha 22 avril 2018

JOEL HARISON Marie René

Président Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Mis à jour ( Dimanche, 22 Avril 2018 13:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety