]
Les quotidiens du 19 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Ntsay Christian. Kabary fanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana

Ntsay Christian. Kabary fanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana

FANOLORANA NY FANDAHARAN’ASA

HO FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

Andriamatoa NTSAY Christian,

Praiministra, Lehiben’ny Governemanta

Lapan'i Tsimbazaza, 4 febroary 2019

- Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Birao maharitra

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Ministra, Mpikambanana ao amin’ny Governemanta

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara

- Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ankafaliana tokoa no handraisako ny fitenenana eto anio amin’ny maha-lehiben’ny governemanta ny tenako ka hitondrako ny Programan’asa ho fanantanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana izay nolaniana ny Alakamisy faha-31 Janoary lasa teo nandritra ny Filan-kevitry ny Ministra.

Ety ampiandohana dia ataoko fa tsy mahadiso ahy ny mbola miarahaba antsika rehetra etoana nahatratra ny taona 2019. Ny faniriana dia ny mba ho salama tsy arofy isika rehetra isam-batan’olona ka hahavita antsakany sy andavany ny kinasa arak’izay irina.

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny heri-pon’ny tompon’andraikitra rehetra dia vita soa aman-tsara tokoa ny fifidianana tamin’ny taon-dasa ary nahazo Filoham-pirenena lany tamin’ny safidin’ny maroan’isa sy tamin’ny fomba demokratika ny vahoaka Malagasy.

Noho izany, dia mbola misaotra ary miarahaba ny vahoaka Malagasy iray manontolo ny tenako tamin’ny fitoniana, ny fahendrena sy ny fitiavan-tanindrazana nasehony. Mariky ny fitandroana sy fandalàna ny firaisam-pirenena izany.

Araka izany dia amin’ny anaran’ny governemanta izay tarihiko sy amin’ny anaran’ny tenako manokana no hamerenana indray etoana ny fiarahabana an’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara vaovao.

Misaotra eram-po, eran-tsaina koa ho anareo Solombavambahoaka maro an’isa eto amin’ny Antenimierampirenena aho nanolotra ny anarako tany amin’ny Filoham-pirenena ka nahafahany nanendry ahy ho Praiministra Lehiben’ny governemanta araky ny Andininy faha-54 ao amin’ny Lalàm-panorenana.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny Andininy faha-63 ao amin’ny Lalàm-panorenana Andalana voalohany dia milaza fa anjaran’ny governemanta ny mamadika ho Programan’asa ny Politika ankapoben’ny Fanjakàna izay natolotry ny Filoham-pirenena araka ny Andininy faha-55 Andalana faha-6 mba hampiharana ireo Velirano miisa 13 nifanaovan’ny Filoham-pirenena tamin’ny vahoaka Malagasy.

Tafapetraka ankehitriny ny governemanta koa raisinay ho adidy araky ny voalazan’ny Andininy faha-99 ao amin’ny Lalàm-panorenana ny manolotra etoana ireo foto-kevi-dehibe raketin’ny Programan’asa miainga avy amin’io Politika ankapoben’ny Fanjakàna izay efa voalazako teo aloha.

Ny fanantanterahana izany dia ho velabelarina etoana anatin’ireto lohahevitra dimy lehibe manaraka ireto ka ahitana ny ankapoben’ny asa ho atao:

1. Ny lafiny Fitantanana

2. Ny lafiny Fandriam-pahalemana sy Filaminana

3. Ny sehatry ny Toe-karena

4. Ny sehatry ny Tontolo iainana

5. Ny lafiny Sosialy.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

1. Ny lafiny Fintantanana

1.1. Ady amin’ny kolikoly, tsy misy fandeferana

Hatsaraina hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary hampiasaina manomboka izao ny “E-gouvernance” hanafainganana ny fampandehanana ny asa rehetra.

Hapetraka anatin’ny fotoana fohy ny fototra tsy miova enti-manao ny zavatra na “standard de services” eny amin’ny toeram-piasana mikirakira ny raharaham-bahoaka mba ahafahan’ny olona rehetra mahalala mialoha ny pitsopitson’ny taratasy ilaina, ny sarany ary ny fotoana iandrasana ny valiny. Izany no atao mba ho fampitoviana ny fomba fiasa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy hialana amin’ny kolikoly eny amin’ny biraom-panjakana rehetra.

Hatevenina ny fomba fiasa ka ho tena mangarahara ny tolo-barotra rehetra iarahana amin’ny fanjakana. Lavina marindrano ny kolikoly amin’ireo fifaninanana rehetra hidirana ho mpiasa sy tompon’andraiki-panjakana. Hampiharina amin’ireo manodikondina ny volam-panjakana ny lalàna velona.

Aoka ho modely amin’ny fahamendrehana eo amin’ny fitantanana manomboka izao ny tompon’andraikitra rehetra. Antoka ho famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana izany ary antoky ny filaminana sy fampandrosoana ara-toe-karena, ara-piaraha-monina sy ara-tsosialy ihany koa.

Hamafisina izany ny ady amin’ny kolikoly ka tsy handeferana ireo minia mbola manao izany.

1.2. Fitsinjaram-pahefana sy fampandraisan’andraikitra ireo vondrom-bahoakam-paritra

Araka ireny efa nolazain’ny Filohan’ny Repoblika ireny dia hatsangana tsy ho ela ny Governora isam-paritra ary hotanterahana ny fanomezana fahaleovan-tena ara-bola sy ara-pitaovana azy ireo.

Hampiasaina ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny kara-panondrom-pirenena sy ny fampiasana ireo karatra vaovao fahazoan-dalana hitondra fiara (permis de conduire biométrique) ary ny fomba fifehezana ireo fangatahana alalana honina eto Madagasikara (visa de séjour) any anivon’ireo lafin-tany be vahiny indrindra. Havaozina ny fitaovana fanamboarana sora-piankohonana.

1.3. Momba ny fifidianana amin’ny taona 2019

Hotohizana sy hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny CENI hitantanana ireo fifidianana rehetra amin’ity taona ity. Efa tapaka teo anivon’ny Filan-kevitry ny governemanta ny daty natolotry ny CENI hanafainganana ny fifidianana ho solombavam-bahoaka ka ny Alatsinainy faha-27 may ho avy izao no andro hanantanterahana an’izany.

2. Ny lafiny Fandriampahalemana sy Filaminana

Handefasana mpitandro filaminana any amin’ny faritra mena rehetra. Noho izany, hatsangana ary hapetraka ny foibe fiofanana natokana ho an’ireo vondron-tafika hanatontosa iraka manokana (Forces d’intervention spéciales). Hatao haingana ny fampitaovana ny mpitandro filaminana ary vatsiana angidim-by izy ireo mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy sy ny halatr’omby. Hatsaraina sy hamafisina ny fahaiza-mitarika eo amin’ny fitantanana ny lafiny fandriampahalemana (OMC any ifotony) ary hoentanina ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandriana fahalemana ny any ambanivohitra sy ny ety an-tanàn-dehibe.

Atao ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny fanondranana omby an-tsokosoko izay harindra hifanaraka amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny « puce électronique ». Marihiko etoana fa ny Filan-kevitry ny ministra farany teo dia nandray fepetra mampiato ny fanondranana omby any ivelany na velona na maty.

Anisany hanaovana ezaka goavana koa ny fiarovana ny sisin-tany, ny morontsiraka ary ny habakabaka ka ho vatsiana fitaovana ny polisim-pirenena, ny tafika an’abakabaka sy an-dranomasina ary hofanina ireo izay hikirakira izany.

Hisy ny fametrahana drafitr’asa entina miady amin’ny asan-jiolahy, ny fakàna an-keriny toy ny fanaovana hetsika “coups de poing” ary ny fametrahana rafitra fitandroana filaminana azo antoka amin’ny fotoam-pifidianana (fisafoana, fanangonam-baovao, …).

Hanamboatra fonja vaovao isika ho an’ireo jiolahy mahery vaika. Hapetraka koa ny toeram-pialan-tsasatra isaky ny 150 km eny amin’ny lalam-pirenena ary hametrahana mpitandro filaminana manokana hiarovana ireo toerana ireo. Hohatsaraina ny fampiharana ireo Dina izay mifanaraka amin’ny làlana velona.

Ny tanjona tiana ho tratrarina dia ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana, ny fitsaràna ary ny lafin-tany amin’ny alalan’ny fanovana hita maso ny fomba fiasa, ny fitaovana enti-miasa amin’ny fiarovana, ny fahaizana miara-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

3. Ny sehatry ny Toe-karena

3.1. Fanatsarana ny fitantanam-bola

Nohon’ny fanovana ny firafitry ny governemanta dia tsy maintsy hahitsy ao anatin’ny fotoana fohy ny tetibolam-panjakana 2019 mba hifanaraka amin’ireo laharam-pahamehana vaovao araka izay voalaza ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Eo amin’ny sehatry ny tetibola, hoezahina ampitomboina ny vola miditra amin’ny fanjakana sy ireo vondrom-paritra eny ifotony, amin’ny alalan’ny fiantohana ireo vola azo avy amin’ny harena voajanahary, ary ny fandraisana an-tanana miandalana ny asa fihariana tsy manara-drafitra mba hiditra eo amin’ny sehatra ny ara-dalàna.

Hamafisina ihany koa ireo fanaraha-maso mialoha sy aorian’ny fampiasana sy fandaniana ny volam-panjakana mba hamongorana ny kolikoly sy ny hosoka. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny ady amin’ny hosoka amin’ny fampidiran-ketra sy ny fadin-tseranana amin’ny alalan’ny fanitarana ireo foto-drafitr’asa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia (infrastructures de dématérialisation) sy amin’ny alalan’ny fanaovana fisafoana sy fitsirihana anatiny.

3.2. Fampivelarana ny sehatry ny Indostria

Tanjona ny hamokarantsika eto an-toerana ireo sakafo ilaintsika andavanandro. Hamoraina ny fananganana indostria eto Madagasikara ka omena vahana bebe kokoa ny fanodinana sakafo, ny famokarana siramamy ary ny fanamboarana fanafody. Araka izany dia amporisihana ny fahatongavan’ireo orinasa vahiny azo antoka toy ny mpamokatra simenitra sy ireo mpamokatra herin’aratra avy amin’ny masoandro.

Mbola eo amin’ny sehatry ny indostria ihany dia hisy ny fameloma-maso sy fampandehanana indray ireo orin’asam-panjakana lehibe toy ny SIRAMA, SECREN, SIRANALA, sy ny sisa sy ny sisa.

3.3. Fanitarana ny faritra hambolena

Mba tsy hanafarana vary intsony dia hajariana ny faritra hambolena mirefy iray hetsy hekitara (100 000 ha). Ny tanjona dia ny hatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo aloha. Amporisihina ny fampiasam-bola amin’ny fambolena, ny fiompiana, ny jono sy ny fanodinana vokatra avy amin’ireo asa ireo. Ataontsika vaindohan-draharaha ny fiompiana sy fanatsarana ny omby eto amintsika. Amin’ny fomba indostrialy no hitrandrahana ny fiompiana, fambolena ary jono mba hanatsarana ny kalitao sy ny vokatra. Omen-danja manokana amin’izany ireo vokatra mampidi-bola vahiny sy ireo vokatra alefa any amin’ny tsena iraisam-pirenena toy ny lavanila.

3.4. Fanamboarana foto-drafitr’asa  sy fanatsarana ny endrik’i Madagasikara

Omena sata manokana ny tanànan’i Nosy Be sy Sainte Marie mba ahafahana mampandroso azy haingana.

Havaozina ireo lalam-pirenena maro dia maro eto amintsika ka ao anatin’izany ny RN44, RN13, RN10, RN5a, RN6. Toy izany koa, hamboarina sy havaozina ny lalana ifamezifevezena any amin’ny kaominina maneran’ny nosy.

Hapetraka manokana ny politika vaovao eo amin’ny sehatry ny fitaterana mba hampivoarana haingana ny fizahantany eto amintsika.

Mba ahazoantsika manatsara sy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany dia tsy maintsy atao ny fanitarana sy fampanarahana fenitra ny foto-drafitr’asa amin’ny lalam-by sy ny sehatry ny fitaterana rehetra. Hatsaraina izany ny asa hatolotra ho an’ny fitateram-bahoaka na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Hatomboka ny fanajariana ny sisin-dranomasin’i Toamasina.

Ho sokafana ny habakabak’i Madagasikara eo amin’ny tsena aziatika sy afrikanina. Hojerena ny fomba hamahana ny olana eo amin’ny fiaraha-miasan’i Air Madagascar sy Air Austral. Tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana sy ny fampandrosoana ireo rantsa-mangaika sy ny orinasam-panjakana izay misehatra eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahan-tany.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

4. Ny sehatry ny Tontolo iainana

4.1. Angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra

Antoky ny fivoarana sy fampandrosoana ny firenena ny angovo. Hampitombona avo roa heny ny famokarana angovo ao anatin’ny 5 taona mba hampihenàna ny vidin’ny angovo. Ovaina mba hifameno amin’ny angovo azo havaozina ny herin’aratra avy amin’ny solika mahazatra antsika.

Mba ahafahan’ny daholobe misitraka herinaratra dia hanaovana ezaka manokana ny fanapariahana ireo fitaovana madinika manome herinaratra avy amin’ny masoandro, indrindra ho an’ireo toeram-ponenana lavitra ny tambazotra misy ankehitriny. Hojerena manokana ny fitantanana eo anivon’ny orinasa JIRAMA izay mibaby trosa sy manao fati-antoka avo loatra. Ankoatr’izany dia hanamboatra tobim-pamokarana herinaratra mitambatra (centrales hybrides) isika izay hamokatra hatrany amin’ny 40MW amin’ity taona 2019 ity. Haverina hodinihina miaraka ihany koa ireo fifanaraham-barotra teo aloha mahakasika ny fividianana angovo mba ahazoana izany amin’ny vidiny tokony ho izy.

Hampitombona ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ireo mpiara-belona manerana ny nosy ary hatevenina ny asa efa natomboka eo amin’ny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana.

4.2. Fitantanana maharitra ny harena voajanahary

Velaran-tany efatra alina hekitara (40 000 ha) no ezahina hovolena hazo isan-taona eto amintsika. Atao izay hifehezana haingana amin’ny fomba manara-drafitra ny fitantanana ireo harena an-kibon’ny tany sy ireo loharanon-karena stratejika.

Hapetraka ny foibe ho an’ny volamena sy ireo vato sarobidy. Hatsaraina ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amintsika mba hametrahana ny tanjona hisian’ny tamberina fampandrosoana ho an’ireo tanàna sy ireo faritra rehetra manankarena eo amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany.

Mba ahazoantsika tombontsoa ambony eo amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia tsy maintsy atao ny fampihenana ny fanondranana ireo akora fototra mbola tsy voahodina amin’ny alalan’ny fametrahana orinasam-pamokarana manakaiky ireo toeram-pitrandrahana ary ny fampiofanana ireo mponina manodidina izany.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

5. Ny lafiny Sosialy

5.1. Fanabeazana ho an’ny rehetra

Hiantohan’ny fanjakana ny fahafahan’ny olona rehetra mahazo fanabeazana mahomby, indrindra ho an’ny zaza Malagasy. Hamboarina hanaraka ny fenitra ny sekoly. Hampifanarahina amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa ny fanofanana omena ny tanora. Hapetraka any amin’ny faritra ireo foibe fanofanana arak’asa ho an’ny tanora. Havaozina hifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fitaovana enti-mampianatra any anivon’ny EPP, CEG, Lycée ary Oniversité.

5.2. Fahasalamana zo fototra ho an’ny olombelona

Hampitomboina ny tetibola ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Laharam-pahamehana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny reny bevohoka ary ireo be antitra mihoatry ny 65 taona. Hatsaraina ny fampitaovana ny hôpitaly sy ireo toeram-pitsaboana samihafa. Hisy ireo fiarabe fitsaboana alefa any amin’ireo faritra saro-dalana sy lavitry ny toera-pitsaboina.

5.3. Fampivoarana asa mendrika ary fanomezan-danja manokana ny vehivavy sy ny tanora

Omen-tosika ireo tanora lahy sy vavy izay mamoron’asa amin’ny alalan’ireo tetikasany. Omena fiofanana ho matihanina eo amin’ny sehatry ny fihariany ireo tanora tantsaha ary tolorana tany izy ireo (Titre vert). Hapetraka ny banky hamatsy vola ny fandraharahana ara-toe-karena ary hamoraina ny fisitrahana izany. Noho izany, omena vahana ny fifaninanana masina, fampiratiana sy famokarana eny anivon’ny faritra rehetra. Hisy ireo fepetra horaisina hahafahan’ny vehivavy sy ny tanora misitraka ny fanampiana ara-teknika amin’ny famoronana asa mampidi-bola sy mahavelona.

Nohon’ny fankatoavan’i Madagasikara ireo fifanarahana iraisam-pirenena iarahana amin’ny Fikambanana Iraisam-Pirenena momba ny Asa (OIT) dia ho jerena haingana ny fanavaozana ny fepetra fandefasana ireo mpiasa Malagasy any ivelany amin’ny alalan’ny fametrahana fifanarahana arak’asa eo amin’ny firenena handefasana azy ireo sy i Madagasikara, indrindra ireo mankany amin’ny firenena arabo toy Liban, Koweït ary Jordanie.

Raha ny lafin’ny tanora manokana dia hamboarina ny Académie Nationale des Sports hanofana ny tanora mba ho lasa matihanina avo lenta. Vitaina ireo kianja filalaovam-baolina, hamboarina ny kianja mitafo, ny Palais des sports ary ny dobo filomanosana maro any amin’ny faritra maneran’ny Nosy. Hampiana ny fanomanana ireo mpilalao Malagasy izay handray anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena toy ny Lalaon’ny Nosy 2019 atao atsy Maurice, ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika amin’ny baolina kitra any Egypte.

5.4. Toera-ponenana sy fananan-tany

Laharam-pahamehana ny fanorenana tanàna vaovao isaky ny renivohi-paritany rehetra. Tanamasoandro ho an’Antananarivo dia hatomboka amin’ity taona ity ny mahakasika ny asa fanamboarana. Trano fonenana miisa dimy alina (50.000) no hatsangana eran’ny nosy ao anatin’ny dimy taona. Ezahina hanorenana fonenana mendrika ireo tokantrano marefo.

Ao anatin’izany rehetra izany, dia ho tohizana ny ezaka ahafahana manampy ireo tantsaha Malagasy hahazo kara-tany ka faritra 10 no hisitraka izany. Eo ankilan’izany dia handraisana fepetra manokana ireo antontan-taratasy tsy ara-dalàna ka nahazoana tanim-panjakana tamin’ny fomba tsy mendrika.

Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Mazava izao ny tanjona tiana ho tratrarina dia « ny hanenjika ny fahataran’i Madagasikara ary hampandroso azy eo amin’ny sehatra rehetra ».

Ny fanantanterahana ity programan’asa ity dia mila diplomasia mavitrika izay hanamafy sy hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Noho izany, atao ao anatin’ny fotoana fohy ny fanadiovana ary ny fanatsarana ny anjara andraikitr’ireo masoivoho Malagasy rehetra any ivelany. Hatodika bebe kokoa eo amin’ny lafiny fifandresen-dahatra ara-toe-karena sy ara-barotra iraisam-pirenena ny diplomasia manomboka izao.

Ankoatr’izany, mitaky kolontsaina mifanaraka amin’ny tena maha-Malagasy izay mampivoitra ny soatoavina lovainjafy ny ahafahana manantanteraka izao programan’asa izao. Noho izany dia hapetraka ny asa goavana mba hamerenana indray ny fanabeazana ny maha-olom-pirenena ka hampiasaina fatratra amin’izany ny haino aman-jerim-bahoaka. Havaozina ireo vakoka ara-kolotsaina sy ara-tantara maro dia maro misy eran’i Madagasikara ary hanamboatra mozea koa isika hampiratiana ny harem-bakoka ananantsika eran’ny faritra maro. Hatsangana ny Akademia Nasionaly Taozavatra sy Kolontsaina na Académie Nationale des Arts et de la Culture mba ahafantsika hanofana sy hampivoatra ireo ho tena matihanina amin’ny sehatry ny kolontsaina ka hitantanantsika amin’ny tena izy ireo harena rehetra hananantsika eo amin’ny sehatry ny kolontsaina.

Hiezaka koa isika hanantanteraka ireo tetik’asa rehetra voatanisa ato anatin’ity programan’asa ity amin’ny alalan’ny herintsika sy ny vokatry ny harentsika. Kanefa tsy atao an-kilabao ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ireo. Ka noho izany, hatomboka tsy ho ela ny fandrafetana ny Drafi-pirenena ho amin’ny fampandrosoana 2020-2023 mba handrindrana ny asa miaraka amin’izy ireo.

Farany, maneho etoana ny fahavononan’ny governemanta sy ny mpikambana rehetra ao aminy ny tenako amin’ny fanatanterahana haingana ity programan’asa ity.

Ny taotrano anefa tsy vitan’irery, koa manentana antsika vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny tenako mba hifanome tanana ankitsimpo sy ampirahalahiana ho fanasoavana ny mpiara-belona amintsika.

Misaotra ny Antenimierampirenena nampiantrano sy nandray izao famelabelarana natao izao ny tenako. Manantena ny fandraisantsika rehetra adidy sy andraikitra izay hiantohana ny fiainan’ny mpiray tanindrazana sy ny hoavin’ny taranaka Malagasy.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Mis Ă  jour ( Vendredi, 01 Mars 2019 09:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO