]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile Madagascar GEN. CENI: Inona marina no andrasana aminy?

Madagascar GEN. CENI: Inona marina no andrasana aminy?

Eo afovoany: Hery Rakotomanana, efa Filohan'ny CENI talohan'ny CENI-T ary Filohan'ny CENI amin'izao fotoana izao

Groupe des Experts Nationaux (GEN)

Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo

E-mail : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Fax : 22 663 59

---------

N/Réf. : GEN-493.12.15/MR/rh

CENI: Inona marina no andrasana aminy?

Mba ho rafitra manana fasahina hampanjaka ny fahamarinana eo amin’ny tontolon’ny fifidianana ary hijoro manoloana ny fandikandalana ataon’ireo mpisehatra politika mandray anjara ao anatin’ny fifidianana : avo feo raha misy fandikana lalana (ohatra : niseho tany amin’ny faritra Anosy).

Manoloana ny fitsanganan’ny biraon’ny CENI vaovao tamin’ny 02 novembre 2015 lasa teo sy ny fiatrehana ny fifidianana senatorialy amin’ny 29 decembre 2015 izao, izay ho tanterahina eny anivon’ny kaomina miisa 1695, dia mipetraka ny fanontaniana: Inona marina no andrasana amin’ny CENI? Hanatanteraka ny baikon’ny fitondrana foibe tahaka ny mahazatra ve sa mba tena hijoro sy hanana ny fahaleovantenany?

Mampanahy mafy ny besinimaro ny amin’ny hanatontosana ny fifidianana senatorialy eo anivon’ny kaomina fa mety hisy teritery amin’ny endriny maro hiatra amin’ireo mpifidy lehibe na “grands électeurs” mba ahazoan’ny fitondrana foibe ny vaton’izy ireo. Dia toy izany foana ve no atao amin’ity firenena malalantsika ity? Tombontsoan’ny olon-tokana ve no arahina sa tombontsoa iombonan’ny firenena?

Mampametram-panontanina ihany koa ny tsy nahitana taratra ny teti-bola ho an’ny CENI tao amin’ny « Loi de finance 2016 » izay vao nolanian’ny depiote farany teo, nefa voafaritra ao amin’ny « Andininy 106, ao amin’ny Loi n°2015 LOI n° 2015 – 020 » fa ny « La loi de finances » mamaritra isan-taona ny tetibola fampandehanan-draharaha ny CENI, ankoatr’izany ny tetibola manokana momba ny raharaham-pifidianana. Midika ve izany fa tsy manana vaindohandraharaha ny CENI amin’ny taona ho avy, manoloana an’ireo tsy fahatomombanana niseho teto amin’ny tany sy ny firenena teo amin’ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana?

Ny fametrahana ny rafitra mahaleotena misahana ny fifidianana, ao anatin’izao Repoblika faha-4 izao dia midika ny fitsaharan’ny CENIT amin’ny asany, fa toa misafotofoto ny fomba fitantanana eto amin’ny firenena ; zany hoe tokony hirosoana ny famindrampahefana ary ho hita taratra eto amin’ny firenena fa ny CENI no rafitra napetraka sy miasa ankehitriny.

Mifangaro ny andraikitra raisin’ny ministeran’ny atitany sy ny CENI koa tsy fantatry ny olompirenena intsony ny lalàna tanterahina.

Vokany:

- Ho voahosihosy ny zon’ny mpifidy amin’ny fifidianana « senatorialy » izay ho tanterahina afaka andro vitsivitsy;

- Mety hiteraka krizy vaovao eo anivon’ireo andrim-panjakana samihafa ny fifidianana izay noteren-ko masaka toy ny voalobo-jaza;

- Miha-marisa hatrany ny andrim-panjakana mpanao lalana vokatry ny safidy tsy araky ny tokony ho izy ka hiteraka fiankinan-doha tanteraka amin’ny fanjakana mpanatanteraka izany;

- Hiteraka tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana misy ankehitriny na instabilité politique;

- Mihena ny “credibilité”-ny CENI, ary io rafitra io no mibaby ny lalana hapetraky ny governementa izay manelingelina ny fiasan’ny rafitra CENI.

- Tsy ahavita ny asany ara-dalana ny CENI raha tokony tsy hitanila amin’iza na iza, tsy hiandany, hangarahara, hahaleotena ary ho tena matianina. Ahiana araka izany ny mety ho fandikana ny « Adininy faha 5 ny « LOI n° 2015 – 020 ».

Eo anatrehan’izany dia takiana ny:

- Fanajana:

* ny LalĂ na

* ny fahaleovantenan’ny CENI hampiatra ny fahefana napetraka taminy;

* ny “neutralité de l’administration”

* ny zon’ny mpifidy

- Hanatsaharana tanteraka ireo endrika samihafa faneriterena atao amin’ireo mpifidy lehibe na “grands electeurs”;

- Famoahana faran’izay haingana ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana havoakan’ny CENI mba hialana amin’ny ahihay (Art 121 du Code electoral).

Soso-kevitra:

- Fanamafisana ny communication eo anivon’ny ceni ka hifantoka bebe kokoa amin’ny fanazavana ny atao hoe fifidianana demokratika sy ny sakana eo hampanantanterahana izany.

- Tokony atomboka dien’izao ny fanatsarahana rehetra amin’ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana manaraka toy ny: fanovana ny kara-panondro “electronique” ho fitaovana tokana ahafahana mifidy, fanavaozana ny lisim-pifidianana, logiciel hikirakirana ny valim-pifidianana,…;

- Entanina ny CENI mba hanana fivelarana sy fisokafana amin’ireo olona na vondron’olona manana hevitra ho fanatsarana ny asa izay ataony; soritana manokana ny fahavonona eo amin’ny Gen hitondra ny fahaiza manao hanantanterahana ny soatoavina efa novohizina nandritra ny taona maro eo amin’ny tontolo ny fifidianana demokratika

- Entanina ny olom-pirenena sy vondron’olona isan-tsokajiny mba hanao « critique constructive” ho fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana;

- Asiana ny tombana sy jeritodika nasionaly ny asa vita ny CENI-T sy CENI aorian’ny fifidiana senatora: Senatora, Ben’ny Tanana, Depiote ary Filoham-pirenena mba ho fanatsarana ny dingana manaraka;izany dia manery antsika handrafitra lalam-pifidianana vaovao,sy ireo lalana rehetra mifandraika amin’izany.

- Asiana ny fifanakalozana traikefa, haizatra ary ny fahaizamanao amin’ireo mpisehatra ny fifidianana eto an-toerana sy iraisam-pirenena;

- Hamafisina ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena mpifidy handray andarikitra amin’ny fanaraha-maso mivantana ny safidiny.

Antananarivo, faha-21 desambra 2015

Madeleine Ramaholimihaso

Bruno Rakotoarison

Charles Rakotonirina

Hasina Rakotoson

Cocken Razafiarison

 

Mis Ă  jour ( Jeudi, 24 DĂ©cembre 2015 07:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety