Madagascar. S.O.S. Antsakabary: des citoyens malgaches se mobilisent

Lundi, 27 Février 2017 05:52 Redaction
Imprimer

Araky ny zava-misy any amin'ny faritr'i Befandriana Avaratra, dia miantso ireo malala-tànana rehetra ny tenako haneho fiaraha mientana amin'ny mponina any Antsakabary sy ireny tanàna manodidina may, mba hanome izay foin'ny tànana ka haterina any amin'izy ireo, na akanjo io na fitaovana na sakafo, satria voinkava-mahatratra izao. Na inona na inona antony, Malagasy toa ahy sy ianao ireo. Mila mifampitsinjo isika mianakavy fa tsy mila mifamono sy mifamorika. Izay vonona dia milaza eto ambany izay tiany hatolotra fa aterina any amin'i Pretra any an-toerana amin'ny faran'ny herinandro ambony.

Misaotra sy mankasitraka fa ny fihavanana tsy ravan'ny fahasamihafana satria iray isika Malagasy ka tànan-kavia sy havanana izay didi-maharary.


Par solidarité à la population de Befandriana Nord touchée par des incendies ayant la destruction de près de 500 habitations, j'en appelle à la bonté et au sens du Fihavanana de tous les Malagasy de bonne volonté afin d'aider nos compatriotes dans cette partie de l'île. Donnons-nous la main pour rendre leur dignité à nos compatriotes victimes de ces affreux incendies. Vos dons seront acheminés directement à la paroisse de là-bas, pour une distribution équitable à toute la population victime, à partir de la fin de la semaine prochaine. Merci pour votre volonté et merci pour ces compatriotes isolés du monde.

Veuillez annoncer en commentaires ou en MP (message privé) vos dons. Montrons notre solidarité dans la diversité parce que nous ne faisons qu'un dans cette île, et c’est le gage de notre sagesse héritée de nos ancêtres.


Rinah Rakotomanga

https://www.facebook.com/rinah.rakotomanga

 

Fa misy ihany koa pejy nosokafana ao aminy facebook, hafahanao mamantatra bebekokoa ny fomba hanampianao ireo mpiray tanindrazana antsika ireo.

Par ailleurs, une page a été ouverte sur facebook, où vous trouverez tout ce qu’il faut à propos de vos dons et de leur acheminement vers Antsakabary.

https://www.facebook.com/Antsakabarysolidarite/

VAOVAO FARANY

Solidarité Antsakabary sy ny manodidina any Befandriana Avaratra!

Araky ny vaovao azo avy any antoerana dia toy izao no isan'ireo traboina: miisa 1449 olombelona no traboina ka 425 vatandehilahy, 450 vehivavy ary 574 ankizy latsaky ny 15 taona.

Misy tanana iray atao hoe Antanimenalamba rava tanteraka ka tsisy mponina intsony fa niparitaka namonjy ireo toerana hany sisa niangana ny mponina tao!

Koa hoantsika izay manao fanampiana ara-pitaovana indrindra raha akanjo dia aoka mba hifanaraka amin'ireo izany! Mila fitaovampianarana ihany koa ny mponina any amin'ireo tanana ireo!

Ambalamanga, Ambodifenesy, Ambohitraivo, Antanagnambo, Ambinanindrano ary Antanimenalamba: ireo ny tànana nahitana izany fahamaizana izany! Misaotra anao amin'izay azonao atao ho azy ireo!

Afaka aterinao manomboka rahampitso amin'ireto "Points Collectes" manaraka ireto ireo fitaovana na fitafiana foinao hoazy ireo: Jovenna Ivandry, Jovenna Andranomena Digue, Jovenna Ampasampito, Jovenna Androndrakely, Jovenna Anosizato, Jovenna 67 ha, Jovenna Tsaralalàna

Ny vola kosa dia iangaviana mba hatao amin'ny alalan'ny Mvola 0341933937 sy ny Airtel Money 0330502977 ihany mba ahafahana manaraka azy hatrany! Mankasitra antsika mianakavy fa ny fihavanantsika tsy ravan'ny fahasamihafana!

*************

BUS DE SOLIDARITE : TELETHON 2017 POUR ANTSAKABARY


Raikitra izany manomboka rahampitso zoma 03 Martsa ny Téléthon hanasana antsika mianakavy ka hifarana ny Asabotsy 04 Martsa izao! Toy izao ny fandaminana ahafahantsika mandray anjara ! Izahay no hitety vohitra sy faritra ka ireo station de radio sy TV mandray anay sy ireo toerana misy ny point de collectes rehetra no holalovanay !
Hisy ny atao hoe Bus de solidarité : Vonona izahay ny handray ny fanampiana avy aminareo izay foinareo sy voarambin’ny tanana amin’izao fahasahiranana iaramizaka izao !


Toy izao ny dianay :
• Ny Zoma 03 Martsa 2017 : Hiainga etsy amin’ny Kolo Tv izahay aorian’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana ao amin’io station de télévision io - Avy eo hihazo an’Antanimena izahay ary handalo ao amin’ny Free-Fm – Handalo ao amin’ny Tana Water Front Ambodivona - Avy eo handeha hakeny Ivato eny amin’ny RDB – Point de collecte Jovenna Andranomena Digue- Avy eo hihazo an’i Tsaralàlana eo amin’ny Jovenna Point de collecte – Avy eo hihazo an’Analakely (devant hôtel de Ville) – Hihazo ny Aceem Radio etsy Faravohitra –handalo amin’ny La City Ivandry - Point de collecte Jovenna Ivandry – Point de collecte Ampasampito.


• Ny Asabotsy 04 Martsa 2017 : Hiainga etsy Ankorondrano Radio Antsiva – Score Ankorondrano – Point de collecte 67 Ha – Radio Tv Record – Point de collecte Anosizato – Smart Tanjombato – Point de collecte Jovenna Androndrakely .


Isaorana sahady ianao amin’izay azonao atao hoan’ireo havana amantsakaiza any amin’ny Commune Rurale Antsakabary – District Befandriana Nord- Région Sofia – Province de Mahajanga.
Ity hetsika ity dia iarahana misalahy tanteraka amin’ny FITABE na Fikambanan’ny Tavagny Befandriana

 

Mis à jour ( Jeudi, 02 Mars 2017 18:46 )