Madagasikara. Jaona “Elite”: atsaharo ny tsao tsy mampandroso !

Mercredi, 26 Février 2014 17:38 Articles
Imprimer

Rehefa nahare fa misy izany solombavam-bahoaka miisa 95 nanolotra anarana any amin’ny Filoham-pirenena, mikasika izay ho Praiminisitra (ny 25 Febroary 2014) dia noraisin’i Harijaona Randriamalala na i Jaona “Elite” ho adidy ny namely izay resabe izany. Tsiahivina moa fa I Jaona “Elite” dia Solombavam-bahoakan’i Madagasikara ao anatin’ny GSP (“Groupe parlementaire spécial”).

Izy no Jaona "Elite" aminy. Tanora vonona hanangana hoavy mamiratra ho an'ny Malagasy ary sahy miady amin'ny tsy rariny rehetra. Misisimisia toa azy ry zalahy tanora amin'izao vaninandro izao a !

Fanazavana noraisina tao Tsimbazaza, ny 26 Febroary 2014:

“Aiza ilay fitiavana ny vahoaka ? Aiza ilay fitiavan-tanindrazana ? Ary ohatran’ny mandisoa fanantenana ilay vahoaka mpifidy ihany ny solombavam-bahoaka sasany, raha toa ka araka ilay omaly hoe: nisy solombavam-bahoaka 95. Iarahan-tsika mahalala fa 76 no tato. Ary ny zavatra tena mahagaga moa dia ry zareo rehefa tonga ato, manao ilay “présence” fa tsy mbola mandeha akory ilay adihevitra dia, vao vita ny “présence” dia tapahiny ny president-ny “assemble” amin’ny fitenenana, dia tonga dia mivoaka. Amiko izany dia tsy fanajana ilay vahoaka nifidy. Satria matoa ny tena lany, dia napetraky ny vahoaka ato amin’ny Lapan’Antenimierampirenena, mba hitondra sy heady hevitra.

Ka amiko, izany adihevitra miteraka ny andao hivoaka lava dia tsy mety. Ny GPS dia mbola manamafy aho eto fa iray ary tsy misy izany GPS mivaky izany mihitsy hatramin’izao. Ary ny GPS dia miara-miasa amin’ny vondrona MAPAR (Miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina). Efa noteneninay efa ho iray volana lasa izay. Ka amiko, ilay tsaotsao, aoka re fa ny fitiavana ny vahoaka sy ny fitiavana ny tanindrazana no atao fa tsy tsao ity, fa ny tsaotsao ity dia tsy mitondra antsika any amin’ny fampandrosoana.

Fanontaniana: Firy marina moa izao ny Depiote ao anatin’ny GPS ?

“20 izahay no ao anatin’ny GPS. Misy “indépendants” miaraka aminay koa fa tsy ao anatin’ny GPS. Satria misy lalàna mifehy anatiny izahay. Ary izahay dia mandray an-tanan-droa foana izay solombavam-bahoaka hiraka aminay raha mitovy ny fomba fijery eo amin’ny resaka fampandrosoana an’i Madagasikara”.

Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

 

Mis à jour ( Samedi, 08 Mars 2014 11:00 )