Loholon’i Madagasikara. Nidera ny fasahian’ny Filoha Andry Rajoelina

Mercredi, 13 Mai 2020 08:48 Articles
Imprimer

Solimotel Anosy, 12 May 2020. Naneho ny heviny mahakasika ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny tambavy CVO ireo Loholon'i Madagasikara. Navoitran'izy ireo tamin'izany fa dingana lehibe izay lazan'i Madagasikara no nafahan'ireo manampahaizana mpikaroka malagasy sy ny IMRA namokatra ity Tambavy CVO ity. Porofo fa mahomby ny fitsaboana aminy, dia maro ireo firenena afrikana izay tonga nidododo naka ny anjara fanampiana nomen'ny firenena malagasy ho azy ireo. Teo ihany koa ny fanambarana izay nataon'ireo mpikaroka Senegaly izay nilaza fa azo atao tsara ny mampiasa ity Tambavy CVO ity.

"Maneho firaisankina amin'ny vahoaka malagasy rehetra, manoloana ny ady atao amin'ny Corona Viriosy", hoy indrindra ny mpitondra-ten’ny Loholona nandray fitenena, dia ny Loholona isany : Day Rabeniony, Kolo Roger ary Randriananadrazana Auguste. “Efa ela isika no niady mba hanomezana lanja ireo mpikaroka malagasy. Tamin'ity fitondrana ity dia tsy vitan’ny resaka sy fampanantenana fa dia tonga amin'ny tanjona isika ka nahitana ny tambavy izay vokarin'ny IMRA”, hoy ihany izy ireo. “Deraina manokana”, hoy ireto Loholona ireto ihany, “ny fasahian'ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ireo fanaratsiana sy tsindry ary sakatsakana maro samihafa momba ny ezaka ataon'ny mpitondra ankehitriny”.

“Noho ny tombontsoan'ny Malagasy dia tsy nilavo lefona fa nanao ezaka rehetra nafahana nanao ezaka rehetra nahitana ny fanafody”, hoy ry zareo nanohy. Nanentana ny vahoaka malagasy ireo Loholona tsy hisalasa amin'ny fisotroana ity tambavy ity. “Lahy tokana ny aina ka tsy tokony hisangisagy isika”. Nirary ny vahoaka malagasy tsy vaky volo ho samy salama ireo Loholona ireto.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mercredi, 13 Mai 2020 08:55 )