Mamy Ravatomanga: Aoka Hazava ! - AUDIO -

Samedi, 09 Février 2013 05:05 Interview
Imprimer

TSINDRIO ETO

Radio Viva. Fandaharana « Aoka Hazava ! », tamin’ny 6 Febroary 2013.

Manazava amin’ny teny malagasy ny Filoha-Tale Jeneralin’ny vondrona SODIAT, Mamy Ravatomanga (sary eo ambony), fa tsy mpanao politika izy fa mipetraka eo amin’ny toerany maha mpandraharaha azy ary vonona foana izy hanampy ireo mpitondra raha ilaina izany.

Izany dia eo amin'ny lafin'ny hai-tao sy traikefa izay ananany ao anatin'ny sehatra iasany. Tsy manana anjara toerana ao anatin’ity fitondrana Tetezamita ity izy."Tsy Conseiller spécial" izany aho, hoy izy.

Raha mikasika ny fifandraisany amin'ny Filohan'ny Tetezamita, Andry Rajoelina, dia nanazava izy fa mpandraharaha mifampinamana izy roa tonta. Rehefa ilaina dia manome toro-hevitra ny Filoha Rajoelina izy. Nefa tsy voatery arahin'ity farany izany. Mahaliana ilay fandaharana satria manitsy ny tsao aely etsy sy eroa, no ny fialonana sy ny alako bika tsy tiako tarehy.

Misy tokoa ampahana Malagasy manana talenta amin'io sojakin'ny fanenjehana io. Hentiny mankaiza anefa izany ? Toa ratsy fiafarana foana. Samia mandinika lalina e !

Maharitra 30 minitra mahery ny fanazavan'Andriamatoa Ravatomanga.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 09 Février 2013 06:43 )