Ny Filoha Andry Rajoelina : « Mila olona tia Tanindrazana i Madagasikara »

Mercredi, 03 Avril 2013 12:54 Interview
Imprimer

VIDEO AMIN'NY TENY MALAGASY ETO

Izany ny anisan'ny fanambarana nataon'ny Filohan'ny Tetezamita, Andry Rajoelina, teo amin'ny micro-ny Antenne Réunion (Nosy La Réunion). Nisy fanambarana afa koa no voalazany ka ireto avy ny hevi-dehibe tamin'izany fanambarana izany.

ETO KOSA IZY REHETRA AMIN'NY TENY FRANTSAY

Mikasika ny rivo-doza Haruna :

« Efa voafehy ny fahavoazana amin'izao fotoana izao ary efa mandroso mankany amin'ny fiainana andavanandro ny mponina ».

Mikasika ny tsy fandriampahalemana :

« Voageja izy io fa ny tsy fananan'asa no mahatonga ny tsy fandriampahelamana mbola mibahana ».

Mikasika ireo miaramila nalefa nanao « mission » nefa tsy nanohy intsony :

« Ireny no lasa jiolahy amin'izao fotoana izao ».

Mikasika ny fizahantany mamoafady (« tourisme sexuel ») :

« Ny fiadiana amin'io no laharam-pahamehan'ny fitondrana tetezamita. Nisy ny fifanarahana natao mba ho tanteraka ny fanasaziana izany fizahantany mamoafady izany. Maro ihany ireo mpizahantany nahiditra am-ponja, tratra nanao izany, ary efa misy ny fanabezana sy ny fahapantàrana eny anivon'ireo hotely maneranana ny Nosy ».

Mikasika ny fifidianana ho avy :

« Mila olona tia Tanindrazana ary vonona hilofo amin'izany ho an'ny Tanindrazana. Ny faniriako dia tsy maintsy tontosa amin'ity taona ity ny fifidianana. Raha ny tenako manokana dia vonona hilatsaka aho, amin'ny taona 2018. Ary hiverina aho ka hitondra praogramam-pandrosoana ho an'ny 20 taona manaraka ».

 

Nandray sy nandika : Jeannot Ramambazafy, 03 Avrily 2013

 

 

Mis à jour ( Mercredi, 03 Avril 2013 20:30 )