Latimer Rangers Randrianasolo : un rêve devenu réalité

Lundi, 19 Décembre 2011 06:28 Madagate affiche
Imprimer

Non, il serait impensable, inimaginable que je ne puisse parler de Latimer, grâce à son ouvrage qui vient de sortir aux éditions Laterit en France.

Ecrire, nous en sommes tous capables mais publier un livre, surtout à Madagascar, est une autre paire de manche. Latimer et moi ? C’est le grand frère et le petit frère, terribles à leur manière ; c’est l’encyclopédie et le grand dictionnaire réunis ; bref, c’est la culture générale sans cesse renouvelée. Et c’est bien ce qui manque le plus aux générations actuelles : le savoir à travers les livres. La discipline rigide de s’informer avant d’informer les autres.

Effectivement, qu'est-ce qu'on a pas parcouru ensemble pour chercher l'info à ses sources

Formé en tant que journaliste de la radio, Latimer sera le pionnier des interviews en direct. Ces émissions vedettes étaient : " Tanàna, làlana sy havoana mena masoandro " (Hameaux, sentes et collines à l'heure du couchant) et " Voarainareo ve ny taratasy ? " (Avez-vous reçu notre lettre ?). Mais donner la parole aux auditeurs criant la vérité lui vaudra 11 ans de censure de la part de Didier Ratsiraka, l’Amiral des 36 pompes (pas encore funèbres)... Notre atout commun ? Un humour grinçant, mais toujours basé sur des réalités. On ne raconte pas des sornettes ni des histoires à dormir debout. On narre un vécu, des expériences a priori incroyables mais vraies. La légende d’Ambondrombe, la colline des ombres (voir plus bas en malgache) ? C’est Latimer qui l’a dénichée. La culture des zébus chez les Antandroy ? Il me l’a inculqué.

Qu'est-ce que Latimer était agaçant à toujours dire: "moi, petit Antandroy devenu ministre". Car, il n'est pas un homme complexé. Au contraire, avant de devenir un fervent serviteur de l'église luthérienne ("mpiandry"), qu'est-ce qu'il ne proférait pas comme gros mots !

Alter ego de feu mon beau-frère Lucien Rajaonina, mémoire écrite du photographe Daniel Rakotoseheno, alias Dany Be, il fait partie de ma famille comme je fais partie de la sienne. Il était écrit que nous travaillerons ensemble à un moment ou à un autre. Nous l’avons fait pour un projet suisse sur les radios de proximité à Morondava et Fianarantsoa ; nous l’avons fait à travers des reportages épiques parus dans le magazine n°1 et unique « Marovany », du temps où il était ministre ; dans « Langoro », un journal authentiquement sporadique car vraiment à gestion privée. Lors de nos pérénigrations, il me parlait de maints projets, comme réaliser un film et écrire un livre. Presque 20 ans plus tard c’est donc fait avec un titre à la hauteur de son rêve et de sa forte personnalité : « Transes, divagations et délire ». J’ai loupé sa séance de dédicace (le 11 décembre à « Confluences », Paris XX), mais j’ai pu rencontrer, le 8 décembre dernier à Paris, deux de ses fils -Latimer a une foultitude d’enfants-: Tsialigno et Fiathoe en complet cravate. Bref conciliabule car j’étais en plein reportage infernal et le temps me manquait réellement.


Pour en revenir à cet ouvrage, il faut avouer que ce n’est plus un inédit. En effet, « Transes, divagations et délire » a obtenu le premier prix ex-æquo de la Poésie du Concours littéraire de l'océan Indien en 2005. Extraits :

« Androy !… Indroy !… Intoy !… Eroy !...
Là-bas, loin, très loin sur des rives inconnues de la géographie et du temps!...
Oh ! Dieu, pourquoi faut-il que je meure avant d’avoir tout dit
ce que j’ai à dire sur ce pays qui est le mien !…
Je voudrais être l’épervier au long cours pour secouer toute une humanité souffrante, prostrée, résignée, acculée aux bords des mares moirées et des étangs blêmes,
à l’appel du Programme Alimentaire Mondial !…

Ô ! Terre de l’Androy, mon Sahara, mon Kalahari !
Toi que je tiens à bras le cœur, toi qui n’a jamais su l’origine des tes habitants,
tu cultives l’orgueil, la fierté par l’insolent port de tête de reine
et les bras balancés martiaux de tes femmes sur les sentes des hameaux ! »

Latimer parle aussi du Kere, cette période cyclique de sècheresse sur laquelle j’ai récemment écrit un dossier.


CLIQUEZ SUR LA PHOTO DE CETTE ENFANT MANGEANT UNE FEUILLE DE CACTUS POUR TOUT SAVOIR

Sinon qu’y-a-t-il de plus à dire sur Latimer Rangers et son « bouquin » très pittoresque mais, malheureusement, ne comporte pas de photos ? Sinon qu’il aura 72 ans le 1er janvier 2012 ?

Commentaires des gars de Laterit : Avec "Transes, divagations et délire", Latimer Rangers, l’Ontandroy, brosse un portrait lyrique de sa région natale, à l’extrême sud de Madagascar. Mêlant cruauté et humour, cette œuvre, écrite en français enrichi de mots malgaches, a obtenu le Prix de la Poésie de l’Océan Indien. Un lexique réalisé par l’auteur accompagne le texte, ouvrant autant de chemins de traverse. Editions LATERIT, 64 pages, références LTRA, ISBN: 978-2-919702-00-8 : 8 euros.

Tiens, je crois que je vais aussi m'adresser aux éditions Laterit pour mon prochain bouquin. On verra... Peut-être une biographie de Latimer Rangers. On en avait d'ailleurs déjà discuté avec sa famille.

Jeannot RAMAMBAFY - 17 décembre 2011

================================================

Le plus: la légende d'Ambondrombe en malgache, pour archives pures

 

Misiterin’Ambondrombe. Mitantara Ingahy Latimer Rangers

Nahoraka tato ho ato ny resaka Ambondrombe. Manjavozavo amin’ny maro, fa indrindra ho an’ireo tanora vao misandratra ny nomba ity tendrombohitra feno misitery ity. Heverinay fa hampisinda, na ny ampahany fotsiny aza, amin’ireo fanontaniana mifamahofaho mikasika ity toerana manan-tantara ity ny famohazana indray ny fitadidian’Ingahy Latimer Rangers, ilay mpanao gazety fahiny tao amin’ny radiom-pirenena malagasy, fanta-daza efa nihanika ny tampon’Ambondrombe.

Ohabolana fampiasa matetika tety Imerina ny hoe : « Rafotsibe maty andro nandroana, sady tsy henina ny ety, no tsy henina ny any Ambondrombe ! ». Tsy vao androany no nampisy sahoan-dresaka momba an’ity faritra manan-tantara ity. Fahiny, ny finoana nentin-drazana dia nametraka fa mamonjy an’Ambondrombe daholo ny fanahin’ny malagasy rehetra izay nodimandry, fa tsy mankany an-danitra na any amin’ny helo akory. Raha faritana tsotsotra ara-jeografia, manolotra avaratry ny tendrombohitra Andringitra, ao anatin’ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy, no ahitana an’Ambondrombe. Ny kaominin’Ambohimahamasina no mamaritra azy, izay sahabo ho 50 km miala ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony.

Ny taona 1970 ary, tapa-kevitra ity mpanao gazety nahavita fitetezana be indrindra an’i Madagasikara ity fa hihanika ny tampon’Ambondrombe. Koa satria fahavaratra ny andro, nolazain’ny mponina teo amin’ny manodidina tamin’izany fotoana izany fa tsy azo atao ny mihanika ny tehezan’Ambondrombe noho ny hasarotan-dàlana ateraky ny toetr’andro ratsy.

« Ny volana jolay 1971 vao niverina teny an-toerana indray izahay mba hamita ny fikasanay », hoy izy nanohy ny fitantarany. Io volana jolay io, nanatsafa ny olona teo an-tsen’Ambalavao Tsienimparihy mikasika izay fantany momba an’Ambondrombe i Latimer Rangers sady mpanatontosa ilay fandaharana malaza « Tanàna, làlana, havoana mena masoandro » fahiny tao amin’ny Radio Madagasikara.

«Amin’ny alina, tsy ifandrenesana ny tabataban’ireo fanahy monina ao antampon’Ambondrombe. Dobok’amponga, feon-tsodina, akoho maneno, feon’omby mibarareoka, akona kilonga, ampela mitoto vary sy horakoraka maro samihafa no heno manako avy eny an-toerana », hoy ny olona. Ny ampitson’io fandraisam-peo natao teo an-tsenan’Ambalavao io, dia nihazo ny kaominin’Ambohimahamasina izy ireo, izay faritra farany azon’ny fiarakodia aleha tamin’izany andro izany raha hihazo an’Ambondrombe.

« Samy milanja ny malotony raha… ! »

Rehefa avy nanamafy ny fisian’ny tabataban’alina voalazan’ny olona teny an-tsenan’Ambalavao Tsienimparihy ingahy ben’ny tanàn’Ambohimahamasina, dia nanamarika koa fa ahitana farihy lehibe voatemitry ny vondrona (zava-maniry iray tarika amin’ny zozoro) koa any an-tampon’Ambondrombe any. Nony avy nisakafo antoandro, raikitra ary ny dia an-tongotra niainga avy teo amin’ilay kaominina. « Nisy ny tompon-tany nitari-dàlana ahy sy nanampy tamin’ny fitondran’entana. Fikasana masaka tao an-tsaiko ny hatory teny an-tampon’Ambondrombe ny alin’io mba handray feo izany tabataban’ny fanahy izany mba alefa ho henon’ny mpihaino ny radiom-pirenena», hoy izy. Akory anefa ny hagagan’ity mpanao gazety mena vazana ity fa nitsahatra tampoka ny dian’ireo mpitari-dàlana azy raha tsy mbola tafapaka akory teny an-tampon’Ambondrombe ny dian’izy ireo, nefa vao

nanondro tamin’ny 3 ora tolakandro ny famantaran’ora. « Nahoana no tsy afa-manohy ny dia intsony isika ? », hoy izy gagagaga nanontany an’ireto mpitari-dàlana azy.

Ala mikitroka

Nanazava ireto farany fa tsy maintsy tratra alina eny an-tampon’Ambondrombe, hono, raha toa ka mbola tohizana ny làlana, nefa tsy nivonona velively ny hatory eny an-toerana, eo amin’ilay faritra heverina ho fonenan’ny fanahy izy ireo. Nanizingizina ireto farany fa mananosarotra ny fiverenana rehefa milatsaka ny alina noho ilay tampon-tendrombohitra saro-dàlana sy mbola temitry ny ala mikitroka. Fa ankoatra izany, amin’ny maha tany fady azy, tsy azo anaovana maloto ny eny an-tampon’Ambondrombe fa ahazoan-doza ny fandikàna izany. « Volontsangana no kapaina ary afatratra ao anatiny ny maloto sy ny mavesatra raha sendra ny tsy azo anoharana. Dia samy milanja ny azy avy eo mandra-piverina ety ambany ahazoana manary ilay volontsangana misy maloto », hoy ireto tompon-tany. Isan’ny antony hafa tsy mamparisika azy ireo hatory eny an-tampon’Ambondrombe io filanjana volontsangana io. Noho izany, tsy nisy ny azo natao afa-tsy ny nanorin-dasy teo an-tehezan-tendrombohitra mba handaniana ny alina iray manontolo.

Nanako ny feon-dolo !

« Nilatsaka tokoa ny haizina ary dia nanapa-kevitra ny hiari- tory aho fa vonon-kiandry izay mety hitranga mandritra io alina tsy manam-paharoa io. Sahabo ho tamin’ny 10 ora alina tokoa, injay nanako nitsitapitapy tany ho any ny feona dobok’amponga. Voaraiko soa aman-tsara tamin’ny fandraisam-peo io feon-dangoroana tsy fanta-pihaviana io », hoy izy raha nitsiahy ny telopolo taona lasa, toy ny omaly. Dia nitohy indray ny fahanginan’ny alina nony avy eo. Nony nipaika anefa ny tamin’ny 11 ora alina, tranga hafa indray no niseho. « Feon’omby narahina feon’olona mihiaka toy ny miantso no heno nanako tsy lavitra ny nilasianay », hoy ingahy Latimer izay nilaza fa tsy naharitra intsony tamin’io fotoana io fa nanoina ireo mpiara-dia taminy mba hamotompototra ny mety ho misy ilay feo tsy fanta-pihaviana teo. « Sao dia mba misy tanàna na olona mipetraka ary ety amin’ny manodidina ety? », hoy izy nanontany an’ireto tompon-tany niara-dia taminy.

Tsy natory mandra-maraina

Nilaza ireto farany fa tsy misy afa-tsy ao avaratra atsinanan’Ambohimahamasina no ahitana tanàna farany manakaiky indrindra ny tehezan-tendrombohitra nilasian’izy ireo tamin’io alina io. Io tanàna kely io anefa dia sahabo ho 5 na 6 km miala avy eo no ahitana azy. « Noho io elanelana io, tsy tokony hisy akona feon’omby na feon’olona mahadingana halavirana toy izany, eny fa na dia mandrindrina aza ny fahanginan’ny alina», hoy ny fanamarihan’ingahy Latimer. «Feon-dolo izany ! », hoy ireo mpiara-dia taminy. Taorian’io, tsy nahita tory mandra-maraina mihitsy ny lehilahy satria mbola nandry hilika amin’izay fisehoan-javatra hafa mety hitranga mandram-piposaky ny masoandro. Saingy, ireo « feo mamatonalina » nanaitra tamin’ny 11 ora alina ireo no seho hafahafa farany nanamarika io takariva teo an-tehezan’Ambondrombe io. Niposaka ny masoandro, niomana ny rehetra fa hihanika amin’izay ny tampon’Ambondrombe, ilay fonenan’ny fanahy !

Voron-kely indray misioka nefa tsy fantam-pihaviana

Nipaika ny tamin’y 6 ora maraina, indreny nitanjozotra hamonjy ny tampon’Ambondrombe izy ireo. Najanon’ireo mpiara-dia taminy teo amin’io tehezen-tendrombohitra nilasian’izy ireo ny alin’io daholo ireo entana heverina fa tsy dia ilaina firy any an-tampon’Ambondrombe. Tao anatin’izany ny fotsimbary efa novatsian’ingahy Latimer. « Nandà hatramin’ny farany ny hatory eny an-tampon’ilay tendrombohitra mantsy izy ireo na dia teo aza ny fikasako ny handray feo mandritran’ny alina hahatongavanay eny an-toerana », hoy izy nanohy ny teniny. Nanomboka hatreo, nanavatsava kirihitr’ala izy ireo ambara-pahatongavana teny an-tampony. Nipaika ny tokony teo amin’ny 12 ora latsaka fahefany, tranga hafa indray no niseho io antoandrobenanahary io raha mbola teo am-panohizana ny dia izy ireo.

Tsy afa-po

« Voronkely marobe no indray niara-naneno avy eny ambony kirihitr’ala eny ; toy ny feon-jorery ny fanenony. Ny mahagaga anefa, tsy tazanay maso ireo voron-kely marobe ireo, na ny vondrona kirihitr’ala tena misy azy ireo », hoy izy nilaza fa voarainy anaty horonam-peo ireo siokam-boronkely tsy fanta-pihaviana ireo. Nanohy nihanika indray izy ireo nony avy eo ary dia tafapaka teny an-tampon’Ambondrombe nony farany. « Teo, ny ahita ilay farihy lehibe, voatemitry ny vondrona, nolazain’ingahy ben’ny tanàn’Ambohimahamasina no nahavesoka ahy voalohany indrindra. Tsy nety nitarika ahy tamin’io dobo malaza io anefa ireo tompon-tany niaraka tamiko satria tsy maintsy manao fombafomba sy joro aloha, hono, izay vao mahazo mamonjy ilay toerana. Ny tena marina, ny hitodi-doha hiverina avy hatrany no nahamay azy ireo satria matahotra sao tratra alina eny an-tampon’Ambondrombe », hoy ingahy Latimer raha nilaza ny tsy fahafaham-pony nohon’ny tsy fahitany io dobo malaza io.

Tazana ny ranomasin’i Manakara

Ankoatra izany, nanazava ireto mpitari-dàlana fa raha misava tsara ny vodi-lanitra dia tazana avy eny antampon’Ambondrombe eny ny ranomasin’i Manakara ary ny reniranon’i Matitànana any Vohipeno. Afa-tsy izany, nahita vato simenitra nahitana soratra « 1930 » izy ireo teny an-tampon’Ambondrombe. Nilaza ireo mpitari-dàlana fa izany vazaha antsoina hoe « Besoa » izany no nametraka io soratra io sahabo ho 30 taona lasa izay (talohan’ny 1971). « Ny fanadihadiana manokana nataoko no nahafahako naminavina fa ingahy Louis Besson io “Besoa” io. Injenieran’ny Asa Vaventy frantsay niasa teto amintsika tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany mantsy ingahy Louis Besson. Azo heverina ho « point géodésique » napetrak’ingahy Besson hamaritana ny haavon’ny tampon’Ambondrombe io « 1930 » hitanay teny an-toerana io », hoy ingahy Latimer.

Rakotra lolo ny Araben’ny Fahaleovantena, Analakely

Raha iverenana ny tohin’ny dian’izy ireo tany an-tampon’Ambondrombe dia nilaza ingahy Latimer fa tokony teo amin’ny 1 ora sy sasany antoandro izy ireo no nanomboka nitodi-doha hiverina hamonjy an’Ambohimahamasina. « Fidinana moa ny làla-miverina ka tamin’ny ny 4 ora tolakandro dia tonga sahady teo amin’ilay tetezan-tendrombohitra nilasianay omalin’io izahay. Tamin’ny 7 ora hariva izahay no tonga soa aman-tsara tao Ambohimahamasina », hoy izy. Nony tonga taty Antananarivo, niteraka resa-be teo amin’ny Malagasy ny nandefasana tao amin’ny radiom-pirenena ireo horonam-peo nirakitra ny fitsidihan’ingahy Latimer Rangers ny tampon’Ambondrombe io. « Amin’ny firy vao ho tapitra ity horonam-peo mampatahotra alefanao ao amin’ny radio ity r’ingahy Latimer? », hoy ny antso an-taroby totoafo voaray avy amin’ny olona teo am-pihainoana ilay lazaina fa « feon-dolo » nanako teo an-tehezan’Ambondrombe sy ireo siokam-borona tany an-tampon-tendrombohitra.

Tao indray ny hafa nanatsatso hoe « Tsy tany Ambondrombe akory io. Nahoana izy no tafavoaka velona avy tany ? », hoy ihany ingahy Latimer raha nanohy nitantara ny akon’ny diany taty an-drenivohitra. Herinandro taorian’ny nahatongavany teto Iarivo, asa na fifanandrifian-javatra fa nisy seho tsy fahita mahazatra nanemitra an’iny araben’ny Fahaleovantena eny Analakely iny. « Nandritran’ny 2 ka hatramin’ny 3 andro teo ho eo, rakotra lolo (papillon) be dia be ireo voninkazo teo amin’ny zaridaina, teo anelanelan’ny Hôtel Le Glacier ka hatramin’ny Garan’ny Soarano iny.

I Andrebabe indray

Nampifandraisin’ny olona ho vokatry ny nandehanako tany Ambondrombe ny fisian’ireo lolo be dia be nandrakotra ny Araben’ny Fahaleovantena tamin’io fotoana io. Satria nanitsaka tany fady, hono » hoy izy. Araka ny fitantarany taminay, i Andrebabe, ilay tanànam-bazimba tsy hita maso any Alaotra, indray no nokinasany nanaovana fanadihadiana taorian’ny Ambondrombe io. « Tsy tafapàka tanteraka tany Andrebabe anefa izahay noho ny toetr’andro fahavaratra tamin’izany fotoana izany », hoy izy.

Ambondrombe ankehitriny !

Efa fotoana vitsivitsy lasa izay no namadihana an’Ambondrombe ho faritra voatokana mirakitra vakoka ara-kolotsaina. « Ambondrombe : Montagne sacrée, sites culturels », izay no soratra voarakitra eo amin’ny takelam-panondroana hita ankehitriny eo amin’ny tanànan’Ambohimahamasina, 45 km miala avy eo Ambalavao Tsienimparihy. Napetraka ilay antsoina hoe « circuit touristique » mba hanamoràna ny fitsidihan’ireo tera-tany malagasy na vahiny liana hitsidika na hanakaiky kokoa an’Ambondrombe. Araka izany, nisy ny fanajariana azo tsapain-tànana natao teny an-toerana, toy ny fanamboarana ho tohatohatra ireo tehezan-tendrombohitra fiakarana mizotra manakaiky ny tampon’Ambondrombe, ilay « tendrombohitra masina ».

Mitoetra ho misitery

« Tamin’ny taona 2006, tsaroako ho efa naneho ampahibemaso ny faniriany hitsidika amin’ny alàlan’ny elikôpitera io toeram-pitsangatsanganana io ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Saingy tsy mbola tanteraka moa izany hatramin’izao » hoy ingahy Latimer Rangers raha nampitaha ny ankehitriny sy ny telopolo taona fahiny. « Angamba mety misy ifandraisany amin’ny nahatonga ilay tendrombohitra ho « Ambondrombe » ny fisian’ilay vondrona (karazan-jozoro) naniry sy nanemitra fahiny ilay farihy na dobo hita any an-tampon’Ambondrombe », hoy ny fanamarihan’ingahy Latimer. Na izany anefa, mbola mitoetra mandraka ankehitriny ny fahatahoran’ny olona ny misitery fonosin’Ambondrombe. Araka izany, mipetraka ho ala mikitroka hatramin’izao ny tampon’Ambondrombe, nefa tsy mbola nisy mpandala ny tontolo iainana sahy nanao fikarohana lalindalina kokoa teny an-toerana mba hamaritana marina ny karazan-java-maniry sy biby mandrakotra ity vohitra « fonenan’ny fanahin’ny maty ity ». Mitohy ny misitery !

Nangonin’i JERY

Mis à jour ( Dimanche, 27 Septembre 2020 14:10 )