Ady amin’ny piraty : fisavana tao amin’ny Super Music Analakely

Mercredi, 17 Octobre 2012 18:54 Madagate affiche
Imprimer

Androany 17 octobre tamin'ny 9 ora sy sasany maraina dia nidina nanao "contrôle"tao amin'ny "Super Music" Analakely ny "Brigade Anti-Piratage" (BAP).

"Contrôle" roa no notanterahina tamin'izany:

1- "Hologramme"

2- Ny "contrat de vente" ahafahan'ny "Super Music" mivarotra malalaka ny entana rehetra izay mihodidina ny asa famoronana na ny vokatry ny artiste.

Araky ny lalàna noho izany dia tsy navela varotan'i "Super Music" mihitsy ny sangan'asa rehetra izay tsy nahitàna hologramme. Seho iray izay azo ilazana ny famokarana hira na horonantsary ho ara-dalàna.

Eo ho eo amin'ny 10.000 cd sy vcd eo no tonga ao amin'ny biraon'ny BAP.

Marihina anefa fa izay sangan'asa rehetra nivoaka talohan'ny fotoana nivoahan'ny hologramme dia naverina any amin'ny "Super Music" daholo satria tsy manana "effet rétroactif" ny lalàna mifehy ny "hologramme".

Ireo ambiny, sisa, nivoaka taorian'ny "hologramme" kosa no tsy maintsy notazomina mandrapahavitan'ny trano mpamokatra voakasika voalohany mametraka io hologramme io.

Hatreto aloha, raha ny androany dia ny "Horizon Production", izay nahatratrarana ny sarimihetsika malagasy tsy misy "hologramme" ihany no mbola "ni-régularisé" ny entany. Ny ambiny rehetra dia miandry ny tompony.

Misy "DoSol" ao, "SM Production", "MadaPro", "JM Prod", "Scoop Digital", "Maxi Production", sns… Be dia be ihany koa ireo vokatra izay ny artista ihany no nanonta azy, koa dia hiandrasana azy ireo izany.

Lasa resa-be hoe maninona ny "original" eny amin'ny "Super Music" indray no raofina fa tsy ny piraty izay mameno ny ara-be.

Valiny : izay indrindra ny tetika hoentin'ny BAP miasa aloha. Diovina aloha ny mpamokatra rehetra dia mora kokoa avy eo ny manenjika ny mpivarotra madinika.

Bureau Anti-Piratage Communication – www.madagate.com

Mis à jour ( Mercredi, 17 Octobre 2012 19:11 )