Haja Rakotonimanga: nodimandry ny 22 Novambra 2012

Vendredi, 23 Novembre 2012 10:03 Madagate affiche
Imprimer

Io ny hita eo amin'ny fonon'ilay rakikira voalohany (sy farany) navelan'i Haja Rakotonimanga

====================================

Fikasana tokoa ny an-raolombelona fa Andriamanitra no manapaka farany. Nodimandry, ny Alakamisy 22 Novambra 2012, tao amin'ny hopitaly Jospeh Ravoahangy Andrianavalona etsy Anosy, i Haja Rakotonimanga, mpitendry piano.

Vitsy no nahalala fa vadin'i Elsie mpihira i Haja ary manana zanaka vavy 12 taona izy roa. Nisy kaonseritra efa nomanina ho fanampiana azy amin'ny fitsaboana amin'ny Asabotsy 24 Novambra ao amin'ny "Piment Café" Behoririka, tontosaina miaraka amin'i Bodo. Voalaza fa ho tazomina ihany io kaonseritra io ka ny vola azo dia homena ny fianakavian'i Haja.

Dia maneho ny fiaraha-miory amin'i Elsie vadiny, ny zanany ary ny fianakavian'i Haja Rakotonimana izahay eto amin'ny www.madagate.com

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 01 Décembre 2012 09:04 )