Nantes : Concert de Noël 2012 FPMA

Dimanche, 09 Décembre 2012 13:50 Madagate affiche
Imprimer

TSINDRIO ETO, AZA FADY

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo,

indro alefa amintsika mianakavy ny fanasana ny concert de Noël izay hatao eto amintsika tafo Rennes amin'ny Alahady 16 Desambra amin'ny 4 ora sy sasany. Amin'ny Asabotsy izao 08 desambra 2012 amin'ny 7 ora sy sasany dia, any Nantes no hanao concert miaraka ny chorales Nantes, Poitiers ary ny chorale Miderà Rennes.


Koa manasa antsika rehetra ho avy hanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny fotoanantsika manaraka eto amin'ny tafo Rennes dia ny Alahady 16 desambra amin'ny 3ora, alohan'ny concert. Efa faly sahady mampandre antsika fa amin'ny 10 ora sy sasany ny fotoana no hanomboka amin'nn 25 Desambra ao amin'ny toerana mahazatra hatrany (ERF, 22 Boulevard de la Liberté). Dia mirary fanomanana fety sambatra ho anareo rehetra amin'ny anaran'ny Tompo Jesoa.

 

FPMA Tafo Rennes

Mis à jour ( Dimanche, 09 Décembre 2012 14:05 )