Jeannot Ramambazafy : hamoaka atsy ho atsy ny bokin'ny Tantaran'ireo fididianana

Mardi, 18 Décembre 2012 02:57 Madagate affiche
Imprimer

Toa io ny fonon'ilay boky izay hirefy A5 ka tsy hihaotra ny 40 pejy misy sary

Hivalona ny taona 2012. Hiatrika fifidianana Filoham-pirenena indray ny vahoaka malagasy, na tiana na tsy tiana. Nisy tantarany daholo ireo.

Ny lasa tsy fanadino ka dia nanapa-kevitra aho hamoaka, atsy ho atsy, ity boky ity. Miantefa amin'ireo mpianatra aloha izy ity.

Maninona tokoa moa no vahiny ary amin'ny teny vahiny foana no mba hafantarana izany Tantara iombonana izany ? Marina fa hita ao anaty Internet io Tantara io, na dia tsy mitambatra aza. Kanefa 17%-n'ny Malagasy ihany anie no mba afaka mijery io tambazotram-pifandraisana io, raha misy dia misy. Ary teny vahiny (frantsay na anglisy) no mibahana.

Tadidio koa fa afa ihany ny boky izay azo entina n'aiza n'aiza. Ny teny, hono, mandalo, fa ny soratra mitoetra. Marina izany. Tsy tantara vala-maty akory io, fa niala avy amin'ny fikaroana lalina ny zava-nitranga marina teto amin'ny firenena. Hisy anarana ao, hisy antontan'isa ihany koa. Tsy azo foronina velively ireo.

Ohatra : iza avy ireo kandida, inona ny antokony ary mba firy ny vato azony ? Firy ny isan'ny mponina tamin'ireo fifidianana natao teo anelanelan'ny taona 1959 sy 2006. Sy ny sisa.

Hatonta ho 10.000 isa izy io ary 5.000 Ariary no ho vidiny.

Koa dia mahareta ry Malagasy liana amin'ny Tantara. Ho lazaiko atsy ho atsy ny fotoana hivoahana io boky io, ary aiza no afahanao mividy azy io. Rehefa mahatsapa fa olom-pirenena manana anjara amin'ny ady amin'ny fahantrana rehetra -indrindra fa ny fahantran'ny saina- dia adidy ny mametraka fahatsiarovana maharitra ho an'ny taranaka fara sy ndimby eto amin'ity tany fandalovana ihany ity. Aza misy taitra fa na dia misy manozona aza dia mbola tsy tonga aloha ny farandroko (io na tena "fin du monde"), alohan'izany asa goavana izany.

Dia misaotra betsaka amin'ny faharetanao.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mardi, 18 Décembre 2012 06:50 )