Madagasikara: feno 600 taona ny Kabary

Mardi, 19 Février 2013 08:25 Madagate affiche
Imprimer

ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala
Filohan'ny Foibem-pirenen'ny FI.MPI.MA.

Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara

========================

Ramatoa Elia RAVELOMANANTSOA


MINISITRY NY KOLONTSAINA SY NY VAKOKA

FILOHA LEFITRY NY VAOMIERAM-PIRENENA MALAGASY MOMBA NY UNESCO

dia manasa anao handray anjara amin’ny atrik’asa hamaritana ny

TANDRO HASIN’NY MPIKABARY

ho fanamarihana NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TENIN- DRENY

sy fanombohana ny fankalazana ny faha 600 TAONAN’NY KABARY

Izay hatao ao amin’ny Carlton Anosy ny Alakamisy 21 Febroary 2013

FANDAHARAM-POTOANA

· 8 ora sy sasany : Fahatongavan’ny mpandray anjara

· 9 ora: Fahatongavan’ny olona nasaina

· 9 ora sy 30 mn : Lahateny ifandimbiasana sy fanokafana amin’ny fomba ofisialy

· 10 ora – 12 ora : Atrik’asa fandinihina ny tandrohasina natolotry ny fikambanana isantokony

· 12 ora – 1 ora: Fiaraha-misakafo

· 1 ora – 2 ora sy 30 mn : Seho an-kabary

· 2 ora sy 30 mn – 3 ora sy 15 mn : fandrafetana sy fanaovan-tsonia ny TANDROHASINA IOMBONANA

· 3 ora sy 15 mn – 5 ora: Famelabelarana arahina adi-hevitra miompana amin’ny loha-hevitra hoe :

“Ny teny naraikitra ho soratra”

Mis à jour ( Mardi, 19 Février 2013 11:18 )