Madagasikara Atsimo : Politikan’ny Fihariana maharitra no hampiarina, hoy Olga Vaomalala Ramaroson

Vendredi, 26 Avril 2013 06:39 Madagate affiche
Imprimer

Natomboka tany Atsimo ny fihariana maharitra, hoentina mivelona ho an’ireo mponina izay hita fa tena voa mafy, tsy nànana ny hoenti-mivelona intsony nohon’ny faravana nahazoa azy ireo tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza HARUNA.


Nanatanteraka ny fizarana ireo fitaovana ilain’ireo mponina ireo, hoenti-mihary ny Alatsinainy 22 Aprily ka hatramin’ny Zoma faha-26 Aprily 2013 teo ny Ministrin’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Ramatoa Olga Vaomalala Ramaroson.


Adidy sy andraikitrin’ny minisitera rahateo ny mijery sy mihahy azy ireny, ka ny faritra Atsimon’ ny Nosy no nisantarana voalohany ny fanomezana toy izao, ary mbola hitohy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Anisan’ny nahazo fitaovana ny tao amin’ny Toliara I ahitana fokontany miisa 4 dia : ny fokontany Ankiembe-bas, Mahavatse I Ouest, Ambohitsabo, Tsongobory ; Toliara II ahitana fokontany 7 : Ankilofolo, Bekoaky, Miary, Belomboka Ampasy, Ankoronga, Andalavary, Beheloka, ka nangalana 100 isam-pokontany.


Nialohan’izao fanolorana fitaovana izao anefa dia nisy ny fanadihadihana nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina tamin’ireo fokontany tao anatin’ny Toliara I sy II, izay nanontaniana manokana ny tena ilain’ny isan-tokatrano, hafahany mivelona eo amin’ny fiainany andavanandro.


Raha ny fokontany voalaza tery ambony dia samy nozaraina vary sy katsaka tsirairay , menaka , savony izy ireo. Ny tao amin’ireo fokotany efatra ao amin’ny Toliara I kosa dia samy nozaraina fitaovana enti-manjono ireo mpanjono, ary fitaovana hikarakarana sakafo ho an’ireo renim-pianakaviana manao « gargote », ka izany dia nahitana seaux, sotrobe, koveta, kaopy, vilia, savony ary menaka.


Distrika Toliara I :

Mpahazo tombontsoa : tokatrano miisa 100 isam-pokotany

 

FKT

ANKIEMBE -BAS

MAHAVATSE 1 OUEST

AMBOHITSABO

TSONGOBORY

1°-Fitaovana enti-manjono ireo mpanjono, ary fitaovana hikarakarana sakafo hoan’ireo renim-pianakaviana manao (gargote) ho an’ny mpivarotra (Sceaux, sotrobe, koveta, kopy,vilia,savony ary menaka, vilany , sotro.

-

1°- Fitaovana enti-manjono ireo mpanjono, ary fitaovana hikarakarana sakafo hoan’ireo renim-pianakaviana manao (gargote) ho an’ny mpivarotra (Sceaux, sotrobe, koveta, kopy, vilia,savony ary menaka, vilany, sotro.

- Fitaovana enti-manjono ireo mpanjono, ary fitaovana hikarakarana sakafo hoan’ireo renim-pianakaviana manao (gargote) ho an’ny mpivarotra (Seaux, sotrobe , koveta, kaopy, vilia,savony ary menaka, vilany , sotro.

-Tahom-bomanga

-voan’anana

- arrosoirs

-kit gargote

SEMANCE :

- Tsaramaso

- Kabaro

SAKAFO :

-katsaka

-vary

-Ankanjo olona telo samy nahazo gony iray avy amidiny

- 3 pompes bicyclette

-tsofa, clef à mollette, clef, tourne-vis, niveau

Ankoatra ireo dia tao ny nahazo fitaovana hoentina manamboatra bisikileta, trano ary fanamboarana clarinette.


Ireo tao amin’ny fokontany Ankoronga dia nomena fitaovana famakiam-bato, satria ao amin’ity toerana ity dia saika mivelona amin’ny famakiam-bato ny mponina ary mivarotra izany. Ny indro kely izay mampitaraina ireto mpamaky vato ireto dia vidian’ireo mpaka tombony ambany dia ambany ny vato voahangon’izy ireo ka alainy 15000 Ar ny 5 m toratelo, ary avy eo dia amidin’ireo mpanambaka 70 000 Ar izany rehefa aty amin’ny tananan’i Toliara.

Tsy afaka mampiakatra vidiny izany vato izany anefa ireto olona ireto. Ny antony dia tsy mahalafo firy raha vao miakatra ny vidiny, ary ao ihany koa ireo mpiray monina hafa izay mivarotra amin’ny vidiny ambany. Ny sakafo anefa, hoy izy ireo, dia tsy azo ajanona ka dia aleon’izy ireo mihinà-kely toy izay mandry fotsy.


Tsy diso anjara ihany koa anefa ny ankizy mpianatra avy amin’ireo fokotany ireo fa dia nahazo ny kit scolaire avy amin’ny ministeran’ny Mponina.


Ny toerana fitaizana sy fampianarana ny Jamba atao hoe : SEJAFITO (Sekolin’ny Jamba Fiherena Toliara) ary ireo marenina dia nozaraina kit scolaire ihany koa niampy bodofotsy, izay miisa 43.



Taorinan’ny rivo-doza HARUNA dia tsy natao ho famonjena vonjy maika intsony no natao ho an’ireo mponina fa natao mihitsy ho FIHARINA MAHARITRA, hoy indrindra ny Minisitry ny Mponina raha nanazàva izao hetsika ataon’ny ministera izao. Izany hoe : taritina mihitsy ny mponina tsy ho kamo intsony fa hamboly sy tena hivelona amin’ny alàlan’ny fitaovana hoentina hanampiana azy ireo, ka hihinana sy hisasatra amin’ny herin’ny tenany manokana, sady ho fitaizana ka ny hatsemboana mihitsy no hihinànana.


Nomena masom-boly izy ireo ary fitaovana, ho famporisihana mba hazoto. Koa raha vokatra ilay tahom- bomanga na taho-mangahazo, dia iny vokatra iny no afaka ahodin’izy ireo ho vola isan-taona , ka raha mitohy toy izany hatrany ny ezaka ataon’ireo mponina dia tsy ho hisy intsony ny hanoanana.

Dia izay ny politika tiana hampiarina eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, ka ny vahoaka Malagasy no tompon’andraikitra amin’izay.

Sotra sy Sary: Andry RAKOTONIRAINY, iraka manokana any Atsimo

Mis à jour ( Vendredi, 26 Avril 2013 06:58 )