Nelson Mandela: ao Qunu izy no miandry antsika ka ho fanilo hanazava ny làlan-tsika

Dimanche, 15 Décembre 2013 15:20 Madagate affiche
Imprimer

Fonon'ilay gazety boky natotan'ny DIRCO (Department International Relations and Cooperation) ao Afrika Atsimo manokana

"No one is born hating another person because of the colour of his skin,or his background, or his religion. People must learn to hate, and if they can learn to hate, they can be taught to love, for loves comes more naturally to the human heart than its opposite"

Nelson Rolihlahla Mandela


Nisy ihany koa lamesa fanaovam-beloma nokarakarain'ny governementa iombonan'ny Tetezamita, teto Antananarivo, io andro io ihany

************************

Raopilanina no nandefasana ny razana niala tao Pretoria ho any Qunu

Nasiana barazy mihitsy ny làlana, mba tsy voaenligelina ny kortezy nitondra azy


Efa manakaiky ny tanànan'ny fahazazan'i Nelson Mandela ny kortezy

Tonga ao Qunu ny razana. Mijery manatrika: Mandla Mandela, zafikelin'i Madiba zokiny indrindra

Tapitra tanteraka ny tantaran’i Nelson Mandela teto an-tany, nandritra ny 95 taona (18 Jolay 1918-05 Desambra 2013).

Ity dia natsangana manokana ho an'ireo vahiny maro nanatrika ny lanonana alohan'ny tena fandevenana. Io ankavia indrindra io ny tranon'i Madiba

Toa izao ilay natsangana etsy ambony rehefa vita

Izao kosa ny tao anatiny tamin'io alahady faha-15 ny volana Desambra 2013 io

Ny Alahady 15 Desembra 2013 izy no nalevina ao Qunu, tanàna kely ao atsimon’ny Afrika atsimo. Fa mialohan’izay dia nisy ny kabary faramparany eo anatrehan’olona manakaja miisa 450.


Tsy dia asiako resaka be intsony satria aman-lavitrisa ny olona nijery ny fitantarana mivantana tao amin’ny Televiziona, ka aleho sary nifantinana no hiteny.

Jacob Zuma eo ampovoan'i Winnie Mandela sy Gracia Machel, vadin'i Madiba. Tsiahivina fa telo ny vadiny ka i Gracia, vadin'i Samora machel taloha no farany

Fa na izany aza, izao raha fitinina ny momban’i Madiba, araka ny fijerin’ny Filoha Jaco Zuma: “Ianao dia hijanona fanilo hanazava ny làlanay”. Folo andro katroka no nisahona izao tontolo izao. Vitan’ny adiny tety.

Hatreto ihany fa tsy nisy mpaka sary nahazo niditra intsony

Ao amin'ny fasana ("cimetière") ao Qunu dia misy toerana natokana ho an'ny fianakaviana Mandela


Mandrià am-piadànana Madiba ! Ka enga anie mba hanara-dia anao ireo mpitondra indrindra ny eto amin’ny kontinanta afrikana, izay misy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-politika…


Jeannot Ramambazafy - Alahady 15 Desambra 2013

Mis à jour ( Mardi, 17 Décembre 2013 18:10 )