Madagasikara Fifidianana 2013 fiodinana faharoa: Fanambaran'ny Masoivoho Amerikana

Lundi, 23 Décembre 2013 18:40 Madagate affiche
Imprimer

Andriamatoa Eric Wong, Mpitantan-draharaha

Antananarivo 22 Desambra 2013 – Miarahaba ny vahoaka Malagasy izahay noho ny nandraisany anjara tam-pitoniana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka teo ambany fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana ny 20 Desambra lasa teo.

Miara-manantena amin’ny vahoaka Malagasy i Etazonia fa ireo fifidianana ireo no hanamarika ny fiverenan’ny fitondrana demokratika eto Madagasikara. Mampirisika ny manam-pahefana Malagasy izahay hanao izay ahazoana antoka fa mizotra amin’ny fomba mirindra ny fanisam-bato ary hamoaka vokatra azo itokisana.

Manainga ny lafin-kery Malagasy voakasika rehetra izahay hiara-hientana hamerenana ny fanjakana tan-dalàna, hiantoka ny fampiharana ireo zon’olombelona fototra, ary hiara-hiasa ao anatin’ny fampihavanana mba hamerenana amin’ny laoniny ny fiainana ara-politika sy ny fahasalamana ara-toe-karen’ny firenena, ary hanomboka hanatsara ny fiainan’ny mponina rehetra.

Mijoro eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany i Etazonia, ary mbola mitàna ny toerana maha-mpanatsy vola mivantana lehibe indrindra azy, satria saika nahatratra 60 tapitrisa $ ny sandan’ny fanampiana natolony nandritra ny taom-piasana 2013, izay nafantoka indrindra tamin’ny fandaharana maro teo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fahatomombanana ara-tsakafo. Na dia nolavinay aza ny tsi-fananan’ireo nihazona ny fitondrana fototra ara-demokratika, dia ekenay kosa ary ezahinay fenoina ireo zavatra tena ilain’ny vahoaka Malagasy andavanandro amin’ny maha-olombelona azy ireo.

Ho an’ny latsa-bato tamin’ny 20 Desambra, dia notohanan’ny Governemanta Amerikana ara-bola ny fandraisana anjaran’ireo mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena avy tamin’ny Carter Center, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana sady mahaleotena. Ny Carter Center moa dia miara-miasa amin’ny Electoral Institute for Sustainable Democracy in Africa (EISA) mba hanaraha-maso ny zavatra rehetra mahakasika ny fifidianana ary handinihana ifotony ny tontolo ara-poliika manodidina izany, ary ny fomba fanatontosana ny fanisam-bato sy fandravonana ny kajy rehetra.

Mis à jour ( Lundi, 23 Décembre 2013 18:43 )