Antananarivo: expo "Belle Chine, Beau Madagascar" à l'Hôtel de Ville

Dimanche, 05 Janvier 2014 14:42 Madagate affiche
Imprimer

COMMUNE URBAINE

DELEGATION SPECIALE

CABINET

DIRECTION DE LA COMMUNICATION N° 01 - CUA/DS/CAB/DIRCOMM.14

COMMUNIQUE DE PRESSE VILLE D’ANTANANARIVO

(CUA) - EXPO PHOTOS CHINE/MADAGASCAR

Si les échanges culturels entre la Chine et Madagascar ne datent pas d’hier, c’est la première fois que des organismes sino-malgaches coopèrent pour exposer des photos. 75 photographes professionnels sino-malgaches et amateurs de photographie ont usé de leurs objectifs pour montrer le paysage, les us et coutumes et la société des 2 pays. L’exposition de photographies « Belle Chine, beau Madagascar » se tient du 04 au 10 janvier 2014 à l’Hôtel de ville Analakely. Le vernissage a eu lieu le samedi 04 janvier, en présence de la ministre de la Culture et du Patrimoine de la République de Madagascar (MCP), Elia Ravelomanantsoa, et de l’ambassadeur de la République populaire de Chine, Yang Min.  La Commune urbaine d’Antananarivo (CUA), a bénéficé aussi de la collaboration de l’Institut Confucius de l’Université d’Antananarivo et de la Fédération des associations "Ara-sary".

Si la Chine est un pays beau et immense de l’Orient, riche en ressources et produits avec ses 56 ethnies en harmonie, Madagascar est une île merveilleuse et belle du sud-ouest de l’Océan indien, avec son mélange culturel. Les 2 pays, réunis par cette beauté, ont pour but de promouvoir le développement durable et l’écologie. Ils vont être fustigés à travers 120 chefs-d’œuvre de photographes chinois et malgaches, dont 40 décrivant les aspects de la Chine via la beauté de la nature et la société chinoise et 73 montrant le développement multiculturel de Madagascar, les belles plages, les arbres mythiques et les « Tsingy », merveilles de la nature uniques au monde.

Le thème recherché par ces photographes tourne autour de l’esthétique de l’humanité qui est la beauté et rien que cette beauté des 2 pays. Sinon, cette exposition offre une plateforme d’échanges culturels.

*****************************************************

TANANAN’ANTANANARIVO (CUA) – FAMPIRANTIANA SARY SINA/MADAGASIKARA

Ramatoa Liu Man Cang sy ny sangan'asany

Efa taona maro izao no nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny ara-kolotsaina ifanaovan’ny Sinoa sy ny Malagasy. Ankehitriny, mba ho fampisehoana bebe kokoa ny zava-boary, ny fomba amam-panao ary indrindra ny fiara-monina misy ao amin’ireo firenena roa tonta ireo dia hisy ny hetsika fampirantiana sary. Matianina eo amin’ny sehatry ny fakana sary miisa 75 arahin’ireo mpankafy maro no hifototra amin’izany. Azo lazaina fa sambany vao hisy ny hetsika toy izao. Hotanterahina ny 04 hatramin’ny 10 janoary 2014 izany, eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Nampitondraina ny anarana hoe: « Belle Chine, beau Madagascar » izay milaza avy hatarany fa manana ny hatsarany tokoa ireo tany ireo. Ny lanonam-panokafana dia notanterahana ny Sabotsy 04 janoary amin’ny 4 ora tolakandro, teo ambany fiahian’ny ministry ny Kolontsaina sy ny Vakoka eto Madagasikara (MCP), Elia Ravelomanantsoa sy ny masoivohon’ny Repoblikan’ny Chine, Yang Min. Ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo (CUA) dia miara-niasa tamin'ny Institut Confucius ao Ankatso, sy ny fivondronan'ny mpaka sary "Ara-sary". Tsiahivina fa anisan’ireo firenena lehibe any Orient i Chine, manana foko miisa 56. Tsy ambaka izany ny nosy Madagasikara aty amin’ny ranomasim-be indiana, izay miavaka amin’ny fananany kolotsaina maro isan-karazany. Ny tanjona kendrena amin’izao hetsika izao dia ny fampiroboroboana ny tontolo voajanahary. Sary malagasy sy sinoa miisa 120 no ho hita mandritra ny fampirantiana.

40 amin’izany hampiseho ny hatsaran’ny zava-boary sy ny fiaraha-monina sinoa ary 73 kosa momban’ny fisiann’ny fifangaroan-kolotsaina eto Madagasikara, ny tora-pasika, ny hazo mana-tantara, ireo Tsingy izay zava-boary tsy fahita maneran-tany. Farany, sehatra lehibe hihaonan’ny kolon-tsaina roa samihafa no ho hita eo.

RAHAGA Jean Luc,

Directeur de la Communication

Ville d'Antananarivo

Mis à jour ( Lundi, 06 Janvier 2014 06:18 )