]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Doudou Michel. Veloma namako, salut la compagnie

Doudou Michel. Veloma namako, salut la compagnie

Tonon-kiran’i Jérôme Randria, namorona ny tarika Ny Railovy io nataoko lohaten'ity lahatsoratra fahatsiarovana ity namako ity. Ary hirain’i Doudou Michel ho fahatsiraovana an'i Ra-Jeroma. Fa nanomboka tamin’ny Alatsinainy 31 Oktobra 2016 dia niatrà tamin’i Doudou Michel izy io satria dia nandao ity tany fandalovana ity ny namako Andriamparany Michel na i Doudou Michel izay afantarana azy eo amin’ny sehatry ny kanto tena malagasy.


Mifankahalala tsara izahay ary saika niara-vita ny aminay tao Ankazobe, taona maro lasa izay fa tsy noresahinay mihitsy. I Papaye ao amin’ny tarika Iraimbilanja no vavolombelona izany loza fifamoivozana izany. Taxi-brousse io. Avy tany Mahajanga izahay nandamina ilay seho sehatra hoe «Fitiavana marina». Natory ilay mpamily ary nifatratra tany anaty tatatra ny fiara. Raha teny amin’ilay ilany ankavan-dalàna aloha -izay antsana be- dia tsy eto aho mitantara izany. Tsy izay anefa ny lahatra fa dia ny 31 Oktobra teo izany i Doudou Michel no nialoha ahy. Ka na inona ny antony naha lasa azy dia izay ny tena lahatra, na dia mbola nanantena daholo isika rehetra.... Fa be ny vitany teto an-tany na tsy dia re sy fantatra firy aza. Zokiko telo taona izy ary misaotra an'Andriamanitra isika rehetra izay mba afaka nifanerasera taminy teto an-tany, teo amin'ny lafiny rehetra, na tsara na ratsy.


Mponina ao Besarety izy. Be ny tokony atao eo amin’ny lafiny ara-sosialy ao amin’io fatitra ao anatin’ny boriboritany faha-3 eto Antananarivo io. Ka dia nanangana ny AFABE i Doudou Michel. Io fikambanana io dia «Association Familiale de Besarety» no dikany. Be ireo asa soa vitany ary maro no afaka mitsangana vavolombelona amin’izany. Tsapany anefa fa tsy ampy izay sehatra izany afahana mitondra ny tenin’ireo vahoaka tsy mba misy mpiahy firy. Ka dia niditra teo amin’ny sehatry ny politika izy. Tsiahivina eto, na dia mirediredy lava ny mpitondra ankehitriny fa ny atao hoe politika dia midika hoe fomba fitantanana araky ny teny latina «politicus» sy teny grika «politikos» mifandray amin’ny fomba itantànana tanàna («Cité») sy ny mponina ao aminy. Taty aoriana dia nivelatra eo amin’ny fomba fitondrana firenena iray manontolo. Izany hoe rehefa mpitondra dia manao politika fa tena resaka adala ity hoe “misy ambadika politika” isaky ny miteny sy manohitra ny olona. Ry zareo ao amin’io antoko Hvm io no tsy mahay izany ka dia tena miteniteny foana tokoa.


Tsetsatsetsa tsy aritra avy aty amiko manokana iny, fa raha iverenena ny mikasika an’i Doudou Michel dia tamin’ny taona 2007 izy no nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ka ilay AFABE tam-boalohany dia lasa antoko «Asa Fanabeazana ho an'ny Besinimaro». Tsy lany moa izy tamin’izay fa nitohy foana ny asa soa nataony hatramin’izay. Rehefa tonga moa ny revolisiona volomboasary tamin’ny taona 2009 ka lasa fitondrana fiaraha-mitantana hanatontosaina ny fifidianana filoham-pirenena dia tafiditra mpikambana tao amin’ny CT sy CST ny antoko AFABE izay nisandrahaka manerana ny nosy ankehitriny. I Doudou Michel no vy sy angady nanànana amin’ny fambolena « sorgho » na apemba. Toerana miisa 27 izao no mamboly izany.


Eo amin’ny lafin’ny fanatanjahantena, tsy adino koa fa anisan’ny mpikarakara fifaninana baolina kitra ho an’ny vehivavy ka sivy ny ao atany ekipa (« football féminin à 9 ») ao Atsimondrano ao. Santionany daholo izany fa izy moa tsy dia tia sehoseho. Na izany aza iza no tsy mahalala an’i Doudou Michel mpamoron-kira sy mpihira («auteur-compositeur-interprète»)? Vitsy ny olona mahalala fa anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Odéam Rakoto -papan’i Doly Odeamson- i Doudou Michel. Izany hoe efa ela izy no tao amin’ity sehatry ny kanto. Ary kanto tena malagasy satria nandalo tao anatin’ny tarika Ny Valiha ihany koa izy.


Sylvia

Tsy nanakana azy mihira ireo hiran’ny mpanakanto tena ankafiziny toa an-dry Gilbert Bécaud, Charles Azanavour, Michel Fugain, Christophe, Dick Rivers, Georges Moustaki, sns. Izany hoe ireo mpihira frantsay nalaza tamin’ny taona 1960-1970.Fa nitana ny maha-Malagasy azy hatrany i Doudou Michel.

Sylvia zanany moa dia efa kely dia nandimby an’ny rainy eo amin’ny sehitry ny fihirana. Asa raha hanohy... Ity manaraka ity ny mba any fahatsiarovana apetrako ho an’ny fianakavian’i Doudou Michel tsy an-kanavaka. Dia veloma namako, any ankoatra indray no hihaona.

Jeannot Ramambazafy – 2 Novambra 2016


Ny nampalaza an’i Gilbert Bécaud dia ireo fehi-tendany misy pitipoa («cravates à pois»)

L’ABSENCE

Qu'elle est lourde Ă  porter l'absence de l'ami,
L'ami qui tous les soirs venait Ă  cette table
Et qui ne viendra plus, la mort est misérable,
Qui poignarde le cœur et qui te déconstruit.

Il avait dit un jour : "Lorsque je partirai
Pour les lointains pays au-delĂ  de la terre,
Vous ne pleurerez pas, vous lèverez vos verres
Et vous boirez pour moi à mon éternité."

Dans le creux de mes nuits, pourtant, je voudrais bien
Boire à son souvenir pour lui rester fidèle,
Mais j'ai trop de chagrin et sa voix qui m'appelle
Se plante comme un clou dans le creux de ma main.

Alors je reste là au bord de mon passé,
Silencieux et vaincu, pendant que sa voix passe
Et j'Ă©coute la vie s'installer Ă  sa place,
Sa place qui pourtant demeure abandonnée.

La vie de chaque jour aux minuscules joies
Veut remplir Ă  tout prix le vide de l'absence
Mais elle ne pourra pas, avec ses manigances,
Me prendre mon ami pour la seconde fois.

Qu'elle est lourde Ă  porter l'absence de l'ami.
Qu'elle est lourde Ă  porter l'absence de l'ami !

Paroles: Louis Amade. Musique et interprète : Gilbert Bécaud 1960

Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Novembre 2016 07:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety