Antananarivo Frankofonia. Mitohy ny fiadian’ny mpitondra amin’ny mpiray tanindrazana

Lundi, 21 Novembre 2016 23:39 Madagate affiche
Imprimer

Fiaraha-mientana izy ity satria efa diso tafahoatra loatra ny afitsok’ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity. Iza marina no tompon’ny tanindrazana ka dia atao tsinontsinona ireo mpanao gazety malagasy tokony hanome vaovao marina ho an’ny vahoaka? Fa mihevi-tena ho inona loatra ireto miseho mpitondra nampindramina fahefana ka dia manapatra izany tokoa, tsy asiany fetrany mihitsy fa mitombo andro aman’alina? Miantsy, mila ady, mangalatra, mandainga, mamorona. F’angaha ianareo ho eo foana mandrakizay e? Ny vy mety arafesina, ny olombelona tsy maintsy ho faty sao koa manantena fa ho adinon’ny Tantara ianareo mpambotry firenena sy mpanambany ny vahoaka malagasy ka ao anatin’izany vahoka izany ny mpanao gazety? SSsssss… Frankofolia tokoa izy fa tsy Frankofonia intsony. Dia inona indray ny manaraka?


TADIDIO LALAN-DAVA RY MPAMARINA AN-KADY SENDRA MISERANA IHANY FA NY OLONA AZO VONOINA, AZO GADRAINA FA NY HEVITRA MITOETRA MANDRAKIZAY. TSY METY NY ATAONAREO ARY TSY MAINTSY AMBARA AMIN'NY AMBAN'NY LANITRA REHETRA. REHEFA TSY MISY HENATRA INTSONY, REHEFA TSY MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA INTSONY, ADIDY MASINA NY ANAY MPANAO GAZETY TSY VOAVIDY VOLA SY NY MALAGASY SAHY MIJORO SY TENA TIA TANINDRAZANA EO ANATREHINA TOE-JAVATRA MANTSINA BE.


Jeannot Ramambazafy – 22 Novambra 2016


Mis à jour ( Mardi, 22 Novembre 2016 06:15 )