]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Hery Rajaonarimampianina, 31 Desambra 2016. Tena Filoha tokoa va re sa...?

Hery Rajaonarimampianina, 31 Desambra 2016. Tena Filoha tokoa va re sa...?

ETO RAHA HIAINO NY FEONY

Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Tompokolahy sy tompokovavy,

Misaotra anareo mampandroso ato an-tokantranonareo amin’izao takariva miavaka izao.

Toy ny indray mipi-maso dia migadona sahady indray ny fiafaran’ny taona anankiray.

Fantatro fa isan-tokantrano, isan’ankohonana dia niady mafy daholo isika, iatrehana ny fiainana andavan’andro izay mbola itambesaram-pahasahiranana samihafa.

Raha mandinika tsara anefa isika, dia ahatsapa, fa samy nahavita ny dingana kely, andresena fahasahiranana sy ho fihatsaram-piainana koa, ka miomana ny ankalaza izany vita soamantsara izany eto am-pifaranan’ny taona 2016. Sady miandrandra ihany koa fa mbola ho be lavitra noho ny vita hatreto ny dingana ho tontosaina sy ny asa hotanterahina ary ny fahasoavana hantenaina amin’ny taona ho avy.

Dia tsy misy valaka amin’izany iainanareo izany ny iainako eto amin’ny toerana misy ahy sy ny andraikitra izay napetrakareo tamiko ity. Ny mpiray tanindrazana amintsika manerana an’i Madagasikara dia mahafantatra fa nanao sy nahavita izay tratry ny ainy ny fitondrana.

Hitan’ny maso te-hahita izany, ren’ny sofina te-handre. Fantatry ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izany, ary izay no nohamafisiny tamin’ny fanapaha-keviny hanohana am-pahavitrihina, miaraka amintsika, ho amin’ny asa fampandrosoana. Misy dikany mivaingana ankehitriny ny hoe firaisankinan’izao tontolo izao amin’i Madagasikara. Saingy isika samy Malagasy no hanatanteraka izany fisandràtana izany fa tsy ny mpiray antoka iraisam-pirenena amintsika akory.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Mamarana ny taona nahitana tsimoka mahavelom-bolo isika ary averiko ihany fa ny isam-batan’olona aminareo dia samy nitondra ny anjara birikiny tamin’izany ka isaorako anareo. Farano anatin’ny fifaliana ny taona satria mendrika izany isika na dia mbola ady mafy, hanantenam-bokatsoa be lavitra aza, no miandry antsika.

Hitsidika ny taona vaovao afaka ora vitsivitsy. Ny faniriako lalina indrindra ho an’ny ho avy, dia ny ahaizantsika mampivondrona ny herim-po, herin-tsaina sy herim-panahy misy eo amintsika. Tsy vahoaka voahozona sanatria ny malagasy ka tsy ahita ny anjara masoandrony mihitsy anatin’ny fiandrianam-pireneny. Misy kolontsaina vaovao izay mila volentsika, kolokolointsika. Kolontsain’ny mpanangana, sahy sedra, miaraka misandratra anaty vina mampiombona.

Eto am-pamaranana dia mirary fiononana aho ho an’ny akohonana mety nidonam-pahoriana amin’izao vanim-potoana miavaka izao. Mirary fahasitranana ho an’izay farofy. Ho antsika notahin-janahary ka narovany tamin’izany dia mirary anareo hifaly tanteraka eto am-pamaranana ny taona.

Dia samia ho tahian’Andriamanitra, ho tratry ny taom-baovao isika mianakavy.

Hery Rajaonarimampianina
Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara
Asabotsy faha 31 desambra 2016

FEHINY HO AN'NY SARAMBABEM-BAHOAKA

Marina, Tompoko, fa tsy voahozona ny vahoaka malagasy fa ianao no nanozona ny firenena iray manontolo izay namidinao tamina vahiny maro: karana, sinoa, frantsay, Maorisiana...

Ho an'ireo Malagasy maro an'isa mahita ny zava-misy marina sy mandre ny lainga be afafy isan'andro vaky izao, nandritra izay telo taona lasa izay, dia "Filou" ianao fa tsy filoha izany. Fiteny frankofĂ´nina re etsy sy eroa izany, mitatitra ihany ny tenanay.

Aorian'ny 2018 no hanamarina izany. Ka gadrao daholo aloha izay tianao gadraina tsy olana izany fa ny marina tokana sy iray ary mandratra tokoa ("seule la vérité blesse").

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 02 Janvier 2017 01:50 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety