Madagate.org: nodimandry ny renin’ny mpaka sarinay Harilala Randrianarison

Vendredi, 06 Janvier 2017 04:40 Madagate affiche
Imprimer

Tantely amam-bahona tokoa ity fiainana eto an-tany ity. Ny Alarobia 4 Janoary 2017 no namangy ahy farany i Harilala ary nilaza fa hidina any Mahitsy izy satria tena tsy metimety mihitsy ny toe-pahasalamanan'ny reniny. Ny fianakaviany rehetra moa, tamin'ny volana Desambra 2016, dia efa nifanao fotoana fa hamangy azy ny Sabotsy 7 Janoary, hiarahabana azy tratra ity taom-baovao 2017 ity.

I Harilala namangy ahy ny 4 Janoary 2017

Kinanjo moa dia nodimandry ny Alakamisy 5 Janoary teo i Mama Vao. Io ambany io ny ferapara ary tsy hitako intsony izay lazaina fa fahoriana iaraha-mizaka satria i Harilala dia mpaka sary sy vidéo eto aminy madagate.org

Mandria am-piadanàna i Mama Vao.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 18 Janvier 2017 13:20 )