Ambohimalazabe. Manameloka ny fandoroana ny Rova ny Printsy Dr Ndriana Rabaroelina

Mercredi, 11 Janvier 2017 22:37 Madagate affiche
Imprimer

Ny Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina

Ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, tarihan' ny Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina, dia manameloka ny Fandoroana ny Rova Ambohimalazabe, tamin' ny Talata 10 Janoary 2017 alina;


ary mitaky ny Fanasaziana mafy ireo ati-doha nikotrika sy ireo mpanatanteraka rehetra tamin' ny Fangalarana ny Satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona I (2011) sy ny vakoka tao amin' ny Rovan' Antongona (2016) ary ny Fandoroana Rova tao Manjakamiadana (1995) sy ny Rova Ambohidratrimo (2015), ary ny Rova Ambohimalazabe (2017).

Ny Fiombonambe dia miantso ny tompontany tia tanindrazana rehetra hiray hina sy hiara-dia aminy ho fanoherana ny fanjakazakan' ny vahiny sy ny fanapotehana ny vakoka ny firenena.

Antananarivo, 11 Janoary 2017.

Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina,

Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara

Mis à jour ( Mercredi, 11 Janvier 2017 22:45 )