Antananarivo. RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao

Dimanche, 05 Mars 2017 14:00 Madagate affiche
Imprimer

Izy no iza ?

An’isan’ny asa tranainy indrindra ny asa fivarotana. Saika ahitana mpivarotra avokoa manerana ny faritra samihafa, na eny amin’ny tontolo ambanivohitra na ety amin’ny tontolo an-dRenivohitra. Mpanjaitra fitafiana samihafa sy kojakoja isankarazany ary azo ambara ho mivelona amin’ny asa fivarotana izany, RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao.

Niatomboka nanjaitra tany amin’ny faha 12 taonany izy. Fahazaza dia ny akanjon-tsaribakoly no nanombohany nitana fanjaitra niaraka tamin’ireo rahavaviny. Mpamokatra sady mpivarotra elo nanana ny lazany teto an-dRenivohitra sy ny manodidina moa ny rainy ka tsaroany tsara, hono, fa ny ambin-damba fanao elo sendra nisy tamin’izany no niantombohany nianatra nanjaitra. Ary nanampy be azy ny ambinambin-damba nampiasain’ny anadahin-dreniny izay efa nisahana raharahan-jaitra tamin’izany fotoana.

Nanomboka tamin’ny zaitra tanana ka nitohy tamin’ny fampiasana milina na ny ahodin-tanana na ny mandeha herinaratra ny lalana nolalovany. Nanatevim-pahalalana teny amin’ireny toeram-pianarana zaitra sy broderie ireny izy taty aoriana. Ary nanomboka nanjaitra akanjo amin’ny lanonana samihafa.

Nanandrana namokatra akanjon-dehilahy ihany saingy ny am-behivavy no tena nanavanana azy. Nihitatra tamin’ny fanjairana vokatra hafa mba atao vadin’entana hamidy izany tato aoriana. Toy ny poketra, ny kitapo sy ny sisa. Nisy rahateo fotoana tsy maintsy nandraisana fiasana samihafa amin’ny fanamboarana sy fanatsarana izay vokatra mialoha ny hivarotana azy.

Sarotiny indrindra amin’ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny asa varotra izy. Mahavelona ny asa fivarotana, hoy hatrany izy raha voahaja izany fa tsy asa fialokalofan’ny tsy mahita atao akory. Mpiasa tena ihany koa ny vadiny ary raha nodimandry efa ho roapolo taona lasa izay dia ity asa fivarotana ity no nameloman-dRAVOLOLOMBOAHANGY ny zanany.

Raha nohadihadiana izy dia tsy hoe nisosa mora foana akory ny fanatontosana ity asa ity fa nisy dia nisy tokoa ireo olana nosedraina. Lehibe tamin’ireny, ohatra, ny fiatrehana ireo krizy samihafa teto amin’ny firenena. Ny taona 1991, narahin’ny tamin’ny 2002 sy ny 2009 farany teo.

Olana iray hafa ihany koa, tsapa fa nanova ny tontolon’ny tsena teto amin’ny firenena ny fitobahan’ny entana vahiny. Nahafahana nanatsara ny fomba famokatra kosa ny fisian’ny fifaninana na tsy dia nitovy aza ny hery nampiasaina.

Fa eo dia eo ihany koa ny fifaninana tsy ara-drariny dia ny fisian’ireo mpivarotra tsy manara-dalàna amin’ny fandoavan-ketra sy ny haba isan’ambaratongany ka mahatonga ny mason-karena tsy hitovy.

Ny fizarana ny traikefany amin’ireo zandry zanaka mpandimby eo amin’ity tontolon’ny varotra sy asa tanana ity no ilofosan-dRAVOLOLOMBOAHANGY amin’izao fihoarany ny faha 60 taonany izao. An’isan’ny fialam-boly mampiavaka azy ihany koa ny fanangonana ireo sary tranainy mirakitra tantaran’ny lasa. Tsy vitsy rahateo ireo efa manatona azy ao amin’ny toeram-pivarotany eo Analakely sy ireo Orinasa manasa azy hizara ny fahaiza-manaony amin’ireo mpanao ny asa varotra eto an-toerana. Faniriany ny hizara izany traikefany izany maneran-tany.

Aiza no hahitana an’i Ramatoa Ravololomboahangy? Tsotra: manontania ao Analakely ao. Ao aminy “pavillons”, ohatra.

RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao

Qui est-ce?

Le commerce figure parmi les activités séculaires. Les activités commerciales envahissent presque tous les milieux aussi bien urbains que ruraux. Madame RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao s’illustre dans ce domaine avec la vente de ses œuvres de confection de divers vêtements et accessoires.

Elle s’est initié dans ce métier dès l’âge de douze ans. Au cours de son enfance, elle a commencé, avec ses sœurs, à confectionner les habits de ses poupées. En outre son père est un célèbre fabricant de parapluies de la capitale malgache et sa périphérie. Elle se souvient d'avoir a utilisé le rebut d’étoffes dans l’atelier de son père pour ses petites confections. De surcroit, les rebuts d’étoffes de son oncle, exerçant le même métier, lui servaient nécessairement comme fournitures de base.

Madame RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao a débuté par des travaux manuels, de confection jusqu’à l’utilisation de diverses machines à coudre mécaniques et finalement électriques. Par la suite, elle a étoffé son talent par des formations en coupe et couture ainsi qu’en broderie, auprès de centres spécialisés en la matière. Elle s’est mise à produire des tenues de diverses cérémonies. Bien qu’elle ait eu l’intention de devenir un tailleur pour hommes, elle s’est aperçue que ce sont les costumes féminins qui convenaient à son talent. Les activités se sont étendus jusqu’à la production d’autres effets tels que les sacs de toutes sortes pour étoffer ses produits à vendre. Ce qui lui a nécessité l’utilisation d'autres outils et machines pour perfectionner ses produits.

Madame RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao défend avec sévérité l’exercice de la profession commerciale par les femmes. Cette profession n’a rien à envier, affirme-t-elle, à tant d’autres pour subvenir suffisamment aux besoins familiaux, à condition d’être exercée avec sérieux et respect, mais ne doit pas être considérée comme une activité subsidiaire. Cette profession commerciale l'a énormément aidé pour prendre en charge entièrement ses enfants, après la disparition de son époux, il y a vingt ans de cela.

Au cours d'interviews, elle a toujours mentionné que l’exercice de ce métier n’est aussi facile qu’on le pense, mais possède d’énormes difficultés, pour ne parler que des retombées socio-économique néfastes des crises cycliques qui ont sévi au pays depuis 1991 jusqu’à ce jour. A cela s’ajoute l’envahissement des produits et des effets vestimentaires issus de l’importation. Cependant, les concurrences sur le marché ont suscité le perfectionnement des produits, malgré la différence entre les moyens de production. Mais le pire des cas réside dont les concurrences déloyales des commerçants informels qui ne paient aucun impôt ni taxe.

Âgée de soixante ans, Madame RAVOLOLOMBOAHANGY Harimanana Vaholy Lalao s’évertue à transmettre aux générations futures son savoir-faire et ses expériences en matière de sa profession commerciale.

Par ailleurs, elle est aussi collectionneuse iconographe.

Nombreux sont les particuliers et les sociétés qui l’ont contactée et qui l’invitent à partager ses compétences en la matière, tant au niveau national qu’international.

Où trouver Mme Ravololomboahangy? C’est simple: allez demander à Analakely, aux pavillons, par exemple.

Mis à jour ( Dimanche, 05 Mars 2017 14:18 )