Marolambo. Potik’ilay rivo-doza Enawo ny vokatry ny tany

Jeudi, 09 Mars 2017 16:57 Madagate affiche
Imprimer

Distrikan’i Marolambo, Faritra Atsinanana. Taorian’ny nandalovan’ilay rivo-doza Enawo dia maro ireo vokatra potika nohon’ny fiakaran'ireo renirano Nosivolo sy Sandranamby.


Manampy izany fahavoazana izany, tapaka ny làlana mivoaka any amin'ireo kaominina manodidina nohon'ny fiakaran'ireo renirano ireo. Tapaka ihany koa ny làlana mampitohy an'i Marolambo sy Mahanoro. Ary dia niakatra avo roaheny ireo vidin-javatra ilay andavanandro (PPN) toy ny siramamy, sira, menaka labozia, sns. Ny vary dia tafakatra efa-jato ariary (4.000 francs) ny iray kapoaka.

Raha ny voina nivantana indray dia mpianatra iray ao amin'ny CEG no namoy ny ainy, tototry ny tany niontsaka.


Nisy koa vaovao mampalahelo ivelan’ny takaitra navelan’i Enawo. Ary dia tantely amam-bahona tokoa ny ety an-tany fandalovana ety satria dia maty androany, faha-9 Marsa 2017, taminy 6 ora maraina, ny renin'Andriamatoa Bruno, mandataire MAPAR ao amin’ny distrikan’ny Marolambo. Halevina ao amin’ny kaominina Ambohimilanja ihany.

Jeannot Ramambazafy

Source: Lindbergh Chrys Yves

Mis à jour ( Vendredi, 10 Mars 2017 00:42 )