Raharaha Claudine A&C. «Rahoviana no hisongadina tokoa izany atao hoe fanjakana tan-dalàna izany eto madagasikara?», hoy ny Kmf/Cnoe

Lundi, 17 Avril 2017 06:08 Madagate affiche
Imprimer

Amin’ny maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena ny KMF/CNOE («Education des citoyens»), dia tsy hay ny hangina ka hanaiky fotsiny ny toe-javatra mahakasika an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy, izay mpanolon-tsaina akaiky ny Filoham-pirenena Malagasy ary mpandraharaha ara-toe-karena eto amin’ny firenena.

Tsapa fa tsy mangarahara ny fitantanana eo anivon’ny fitondram-panjakana isan’ambaratonga ary mbola mitoetra hatrany ny fanamparam-pahefana. Mijanona ho hetahetam-bahoaka hatrany ny fisian’ny fanjakana tan-dàlana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Manontany tena ny KMF/CNOE hoe hatraiza ny akon’ity raharaha ity no mahatonga azy ho lasa lalina toy izao ka tsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny fahefam-pitsarana? Ahiana mafy arak’izany ny tsy fahamarinam-pototra ara-politika eto amin’ny firenena.

Ny KMF/CNOE dia mitsipaka ny fitsabahan’ny fitondram-panjakana amin’ny asa natokana hoan’ny mpitsara. Mankasitraka manokana ny BIANCO tamin’ny fanatanterahana ny andrakiny, mankahery sy manohana azy hatrany amin’izany. Manohana ihany koa ny SMM amin’ny ezaka izay ataony amin’ny fiadina ny fahaleovan-tenan’ ny fitsarana, araky ny fenitra voizin’ ny làlam-panorenana.

Mipetraka ny fanontaniana, natao ho an’iza ny làlana? Aiza ho aiza ny fanajana sy ny fampiharana azy? Rariny ve raha izay tokony ho fitaratra hoan’ ny vahoaka indray no mampiana-dratsy azy? Ambava homana am-po mieritreritra! Ny KMF/CNOE dia mitaky hatrany ny fampiharana ny làlana ary manamafy fa mitovy ny rehetra eo anatrehany na mpitondra fanjakana io na olon-tsotra dia meloka avokoa raha mandika azy. Manameloka ny kolikoly sy izay rehetra manome vahana ny tsy fampiharana ny làlana.

Manamarika koa ny KMF/CNOE fa tsy tokony hamaivanina mihitsy ary tokony arahi-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity. Fanalahidin’ny fametrahana ny Fanjakana tan-dàlana eto Madagasikara izy ity raha tontosa ny fanenjehana azy, sady vokatra azo tsapain-tànana amin’ny filofosana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Raha araky ny fenitra dia tsy mifidy ny lalàna, noho izany, dia tsy tokony hisy intsony izany atao hoe tsy maty manota izany raha tena fanjakana tan-dàlana tokoa no tiana avohitra. Mitaky hatrany amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny KMF/CNOE amin’ny fanomezana tatitra mazava sy mangarahara hoan’ny olom-pirenena tsy ankanavaka.

Antananarivo, faha-13 aprily 2017


Ny Birao Nasionaly

Mis à jour ( Lundi, 17 Avril 2017 07:53 )