]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche ANTOKO MARINA: TATAVANINAREO NY MOKA FA ATELINAREO NY RAMEVA

ANTOKO MARINA: TATAVANINAREO NY MOKA FA ATELINAREO NY RAMEVA

Volana maromaro izay dia tsy mitsahatra maneho hevitra ny sehatra isa-tsokajiny na fikambanana io na antoko politika io, manoloana ny toe-java mitranga iainan’ny vahoaka ankehitriny. Mahatsapa mantsy ny ankamaroan’ny mponina fa dia tafalatsaka lalina tokoa eo amin’ny fahasahiranana, hany ka maro ireo mikaikaika, mila tsy ahita ny handehan’ny tongotra intsony; sasany aza noho ny fahantrana mianjady aminy, dia zary mivarotra fanana mihitsy; ny vidim-bary tsy mitsaha-miakatra na dia tamin’ity herinandro ity aza mba nisy fidinany kely ho ariary 100. Ny ankoatra io moa dia efa saika mijanona hatreo amin’ny nampiakaran’ny mpivarotra azy raha tsy hilaza ny hena sy ny saran-dàlana sasantsasany. Ity farany ity aza moa dia ahiana indray ny mety fiakaran’ny saran-dàlana manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika farany, izay niakatra ho 40 ariary ny gasoil ary 30 ariary ny lasantsy. Ireo mpitsinjara solika sasany izay nanontaniana dia mitatitra fa mbola hisy hatrany ny fiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika, mandram-pahatongan’ny faran’ny taona. Santionan’ny zava-misy izay mitranga eto amin’ny firenena ireo. Tsy lazaina intsony ny tsy fandriampahalemana, ny fitsaram-bahoaka. Ary dia saika mamoaka fanambarana avokoa ny rehetra manoloana ireo rehetra ireo.

Namoaka fanambarana androany (04/05/2017) ny antoko MARINA na ny MAnapa-kevitRa Iombonana ho an’ny FampandrosoanA, izay tarihin’Andriamatoa RANAIVOSON Jean Désiré. Fanambarana izay miantefa indrindra any amin’ireo mpitondra eto Madagasikara. Navoitra tamin’izany ary fa ny antoko MARINA dia tsy mitsahatra manara-maso sy mandinika ny fiainam-pirenena ary mikaroka hatrany izay hahasoa ny Tanindrazana sy ny taranaka Malagasy.

« Raha nanao fifampiarahabana tratry ny taona izahay », hoy ihany ny mpandrindra nasionaly ny antoko MARINA, ny 16 Febroary 2017, « dia nametraka fanamarihana maromaro ary nanaitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny lafin-javatra samihafa tsy mandeha ka mila harenina sy hahitsy mahakasika ny fiainan’ny vahoaka mivantana sy ny fitantanana ny firenena ». Roa volana sy tapany aty aoriana, mahatsapa ny antoko MARINA fa tsy mbola tsapa sy hitan’ny vahoaka ny vokatra nandrasana tamin’ny fitondram-panjakana. Noho izany dia mitatitra indray ny antoko MARINA fa :

1°- Raha nitaky ny Antoko MARINA hoe : « Avereno amin’ny laoniny ny vidim-bary izay 1600 Ar teo aloha, kanefa tafakatra 2000 Ar na mihoatra izany mihitsy ankehitriny. Dia toy ny antso an’efitra izany satria ny tomponandraikitra ao amin’ny fitondrana mihitsy no nanambara fa tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary. Midika izany fa tsy laharampahamehana ho an’ny fitondrana ny olana ara-bary. Ny vary anefa no fototrain’ny Malagasy, koa raha fitondrana tsy hahavaha olana amin’izany dia fitondrana tsy mahomby, tsisy vidiny sy very hasina amin’ny vahoaka Malagasy. Noho izany dia mamerina sy manamafy ny antso efa nataonay izahay: Avereno amin’ny laoniny amin’ny fomba rehetra io vidim-bary io izay mendrika famonoana ankolaka ny vahoaka madinika. Ataovy ny fanadihadihana, sazio izay mpanararaotra ».

2°- « Ny fanjakana tsy hanana-kavana, ny fanjakana tsy hanana olon-tiana ». Ireo no soatoavina Malagasy ilaina ananana raha tena hiady marina amin’ny kolikoly avo lenta sy ny fanodikodinana volam-bahoaka isika. Tsapan’ny vahoaka tokoa mantsy fa rehefa ny madinika no tratra, toa tsy misy alaharo alaharo fa raha ny vaventy kosa dia voaaro ankolaka ka tonga amin’ny fitenenana hoe: « Rehefa ny lehibe no maka dia manandran-tsira, fa raha ny madinika no maka dia mangalam-pihinana ». Tatavaninareo ny moka fa atelinareo ny rameva, hoy ny Baiboly. Ny Antoko MARINA dia manohitra tanteraka ny fitsabahan’ny olom-panjakana mivantana na ankolaka hiarovana olona manokana voakasika ny kolikoly avo lenta, ary mitaky ny hirosoana lalindalina hatrany amin’izany ady amin’ny kolikoly izany, tsy asiana an-kanavaka. Miantso ny vahoaka Malagasy handinika tsara amin’izay ary hanao safidy ka hitsipaka ny mpanao kolikoly sy ny namany fa hitodika amin’ny marina hanavotana ny firenena ».

3°- Ny antoko MARINA dia nitaky fepetra maromaro amin’ny fifidianana izay ho avy, ary singanina sy anterina etoana ireto lafiny ireto:
- Ny sefo fokontany dia tokony olona voafidim-bahoaka mivantana ary izy no hiandraiktra ny fandrafetana ny lisim-pifidianana eny ifotony. Tsy mbola natao izany hatramin’izao; ny fandrafetana ny lisi-pifidianana anefa efa mandeha, tsy nisy “agents électoraux” nandeha kanefa dia niakatra be ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana.

- Mitaky ny hanaovana fifidanana ny sefo fokontany ny antoko MARINA, tsy andaniana vola be rahateo ny fanaovan’izany fa finiavana politika no ilaina.

- Maro ny fanankianana momba ny “bulletin unique” nandritra ny dinika hanatsarana ny lalam-pifidianana, satria mora ny angalaram-bato izany ka tokony hanana vato manokana toy ny teo aloha ny kandida tsirairay.

- Mila mazava ny datim-pifidianana. Any amin’ny firenena hafa aza dia fantatra roa taona mialoha ny datin’ny fifidianana. Amin’izao anefa tsy hita manangasanga izany daty izany hiomanan’ny vahoaka sy ny mpisehatra politika. Raha ny Lalampanorenana sy ny lalam-pifidianana mantsy no arahina dia misy ny zavatra tsy azo ampiarahana satria raha 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny Filoha no tokony hatao ny fifidianana fiodinana voalohany dia hitontona amin’ny vanimpotoana ny orana izay tsy tokony hanaovana fifidianana izany. Ankoatra izay, miaraka tapitra ny fe-potoanam-piasan’ny Filoham-pirenena sy ny solombavabahoaka.
Tsy tokony hampiarahana intsony anefa ireo fifidianana roa ireo, satria efa hita ny lafiny naharatsy azy. Noho izany raha tsy mbola hamoaka daty ny tomponandraikitra mifanandrify amin’izany, dia mandroso soso-kevitra ny antoko MARINA ka toy izao izany :

Tsara kokoa raha aroso Alahady 06 mey 2018 ny fifidianana filohampirenena fiodinana voalohany; ny Alahady 01 jolay 2018 ny fiodinana faharoa. Amin’izay fotoana izay dia hanana filoham-pirenena vaovao isika ny volana Aogositra 2018. Ao anatin’ny telo volana manaraka kosa ny fifidianana solom-bavabahoaka; dia ho vita ny taona 2018 avokoa ny fifidianana tokony atao.

Araka izany dia io no fanambarana nataon’ity antoko Marina ity noheveriny fa tsara ho amin’izay fifidianana izay. Nitatitra moa ny mpandrindra nasionaly ny antoko MARINA dia teny atsipy ao am-pon’ny mahalala ny soso-kevitra narosony, ka anjaran’ny mpitondra no mihevitra izay tokony atao. Nitatitra ihany koa izireo fa tsy ho antso an’efitra ny fanairana nataony .

RAKOTONIRAINY Andry

 
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety