Ratsefa. Hafatra napetrany ho an’ireo mora kivy

Vendredi, 26 Mai 2017 05:51 Madagate affiche
Imprimer

Anisan’ny mpanjakan’ny vazo miteny i Rastefa na i Rakotonirina Setefana. Tsy dia fantatr’ireo tanora malagasy amin’izao fotoana izao izy. Nodimandry izy ny 22 Mey lasa teo ary efa nalevina tamin’ny 25 Mey 2017.

Ity manaraka ity misy asa-sorany, tsy ho faty mandrakizay. Raha sendra kivy ianao io dia vakio sy henohy tsara ary aza manaiky resy mora foana. I Ratsefa no lasa fa ny asa kanto nataony mitoetra mandrakizay. Ary izy dia mandry am-piadanàna eo am-piandrasana ny fitsanganan'ny tenany amin'ny maty araka ny finoana krisitianina rehetra maneran-tany mino an'Andriamanitra iray sy tokana ihany.

Jeannot Ramambazafy

TSY KIVY

Fa ny hariva, harivan'ny ririnina, mamirifiry mila tsy ho tanty
Ny fahoriana sy ny adim-piainana mavesatra toa mila tsy ho zaka
Ny tenanao manify dia manify tsy mahita e, ny fiadanana mba revinao
Fa tandra vadin-koditra mipetaka madity ny adin-tsaina izay mangeja anao

Izay rehetra aleha toa sahona maneno, ny vita mila hanenenanao
Ny feo miantso ts'isy mba mihaino e, tsy misy valiny io hatramin'izao
Tsy kivy anefa ianao fa mikaroka hatrany, ny lalana izay mba hizoranao
Ny lasanao rehetra tsy mba maty akory izany, fa hitarafana ny ho avinao

Iza no tia, ka iza no tsy tia? Ezaho ka fantarinao hatrany
Iza no afaka mba hiara-dia e, hialao pa akia izay be vinany
Ka ny safosafo, safosafon'olon-tiana e, hitondra hafanana ho anao
Fa ny tsikitsiky, tsikitsikin'olon-tiana e, hanaisotra ny hatezeranao.

Ny lambolambo sy ny tampi-maso e, fomba efa fanao hatramin'izay
Ka nampitomany nandatsa-dranomaso, tonga saina ianao ka aoka izay
Ny vintana ny lahatra ny anjara sy ny sisa e, ianao tsy mba mivaky loha amin'izany
Tsy manaiky resy, tsy manaiky akia ra sipa e, araho tsikitsiky ny tomany.

RASTEFA

Mis à jour ( Vendredi, 26 Mai 2017 06:02 )