]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo Seces. Diso fanantenana nohon’ny afitsok’ireo mpitondra sasantsasany

Antananarivo Seces. Diso fanantenana nohon’ny afitsok’ireo mpitondra sasantsasany

FANAMBARANA

Ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo, manoloana ny toe-draharaha miseho eto amin’ny tanindrazana iombonana izao dia:

- Mahatsapa fa voahitsakitsaka matetika ny Lalàm-panorenana, tsy voahaja ny tany tan-dalàna; tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony ny vahoaka satria mihorohoro ny tambanivohitra noho ny afitsoky ny asan-dahalo, mandry andriran’antsy ny mponina andrenivohitra manoloana ny asa fandrobana, vono olona, fanendahana ary vaky trano ataon’ireo andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika; mihatafiditra any anaty kizon’ny fahantrana ny vahoaka maro an’isa ary zary lasa ankila-bao ny tera-tany malagasy raha mitaha amin’ireo vahiny ; tsy misy ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana; manjaka tanteraka ny gaboraraka ary minia mikipy maso sy manao be marenina ny mpitondra isan’ambaratongany manoloana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, ny fakàna an-keriny sy amin’ny fomba tsy mazava ny tanin’ireo valalabemandry ataon’ireo tera-tany vahiny mpila ravinahitra.

Koa amin’ny maha Vato nasondrotry ny tany ny SECES dia manao antso avo izahay ho tombontsoam-pirenena sy ho an’ny ny taranaka fara aman-dimby:

- Andraikitry ny mpitondra isan’ambaratongany ny miantoka ny zo fototra ananan’ny tsirairay, ny fahalalahana maneho hevitra am-pilaminana, ny fahafahana mivezivezy manerana ny tanin’ny Repôblikan’i Madagasikara, ny fiantohana ny fandriam-pahalemana, na an-tsaha izany na an-tanàna ary ny fampiharana tsy mitanila ny lalàna velona amin’ireo rehetra mandika izany;

- Takianay ny fampodiana an-tanindrazana an’ireo rehetra nandositra ny raharaham-pitsarana sy voarohirohy amina fanodinkodinam- bolam-bahoaka, ny fanenjehana araka ny lalàna ireo mpanondrana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena avy eto Madagasikara;

- Mila havaozina sy ampahafantarina ny besinimaro ireo didy aman-dalàna mikasika ny fananan-tany, ny fitrandrahana ireo harena, na ambanin’ny tany izany na ambonin’ny tany mba hisorohana ny fanaovana tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena, ny famelana ireo tera-tany vahiny hanao rapa-dango ka haka an-keriny ny tany voajary efa an-taonany maro, hitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina eto Madagasikara, toy ny ao Ambatolampy kaominina Ambinaninony Brickaville, Marolambo, Soamahamanina, Fandriana, Bealanana ny sy faritra maro manerana ny Nosy.

- Foin’ny Mpahary ho nosy i Madagasikara sy ireo nosy manodidina, koa masimandidy eto amin’ny tanindrazany, izay tsy azo amidy na sandaina vola amin’ireo vahiny ny vahoaka malagasy. Tsy azo ekena noho izany ny mety hisiana fifindra-monina faobe ataon’ireo teratany vahiny aty amintsika, na avy aiza na avy aiza fiaviany. Miantso sy manentana hatrany kosa an’ireo mpandraharaha vahiny mba hampiasa ny volany araka ny lalàna velona mba ho fanoitry ny lafiny toekarena sy ho fampananan’asa an’ireo malagasy tandrify izany.

- Na inona na inona fananganana na fanitarana fotodrafitrasa goavana eto amin’ny tany sy ny firenena dia tsy azo hatao tompon-trano mihono ny vahoaka eny ifotony. Tsy misy asa azo tanterahina raha manohintohina ny tombontsoan’izy ireo, ohatra : ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ;

- Manantitrantitra etoana ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena handinihana ny fanovana ny Lalampanorenana sy ireo lalana mifehy ny fifidianana mba hialana @ olana na fikatsoana aorian’ny fifidianana.

Mankahery sy miray fo tanteraka amin’ny malagasy tsy vaky volo mba samy hisikim-ponitra ary hampanjaka ny fahamarinana, hitandro hatrany ny firaisan-kinam-pirenena ary hahay hisintona lesona eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenana nohon’ ny afitsok’ireo mpitondra sasantsasany.

Ny mita be tsy lanin’ny mamba

Ny Biraon’ny SECES, Sampana Antananarivo

Natao teto Antananarivo androany, faha 11 septambra 2017

Mis à jour ( Mercredi, 13 Septembre 2017 06:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety