Fernand Cello. Misaotra ny rehetra tsy an-kanavaka ity mpanao gazety nofonjaina ity

Mercredi, 27 Septembre 2017 04:47 Madagate affiche
Imprimer

Miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra, ary miarahaba ny vahoaka ao ilakaka. Ambarako eto fa efa nivoaka ny fonja omaly (26 Septambra 2017) tokony tamin'ny dimy ora hariva ny tenako.

Misaotra ny fitsarana ao Ihosy, misaotra ny RSF (Reporters sans frontières), Amnisty International, ny mpanao gazety izay tena nanohana. Nosamborina teny amin'ny hopitaly ao Anosizato (Antananarivo) ny tenako, ny 6 May 2017 tokony tamin'ny valo ora sy sasany, tao anatin’ny tsy fahasalamana,

Nampidirina amponja ny 8 May 2017. Mafy ny làlana nizorako, ary mangidy. Tsy manana alahelo na amin'iza na amin'iza ny tenako. Mampanantena ny tenako fa tsy hiala amin'ny asan-gazety izay asa tiako, indrindra fa ny «investigation» izay asa sarotra eto Madagascar.

Tsy manana ambara firy fa misaotra ny Avo indrindra.

Fernand Cello

27 Septambra 2017

Mis à jour ( Mercredi, 27 Septembre 2017 07:12 )