]
Les quotidiens du 24 Nov 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo Villa Elisabeth. Firenena tsy misy tantara tsy firenena

Antananarivo Villa Elisabeth. Firenena tsy misy tantara tsy firenena

TSINDRIO ETO RAHA HAMAKY IO AMBONY IO

Novambra. Volana vaovao, fanajàna ny tenin-drazana avy aty amiko. Be tokoa ireo resaka mikasika sy manodidina ny namarotana ny tany misy ilay hoe «Villa Elisabeth» nipetrahan’ny filoha teo aloha, Pr Zafy Albert, ary tokony mbola hipetrahan’ny vadiny.

N'inona n'inona filaza, n'iza n'iza no be lazao nefa, dia tsy mendrika ho ana firenena iray «mahaleotena» («indépendant»), manana fiandrianam-pirenena («Souveraineté nationale»), ny mivaro-barotra ny fananany izay vakoka («patrimoine») eo amin'ny lafin'ny Tantara sy Kolotsaina. Mpamadika tanindrazana ingahy Reboza Julien, tompon’andraiki-panjakana nanao sonia, sy Herilanja Gerald Ramangasoavina, filoha mpanorina izany orinasa «Madaterrain 0321» (fa tsy Madame Perrin) nahasahy «nividy» ilay tany ary neken’ilay voalohany. Taty aoriana indray dia namidiny amina olo-kafa ka tsy hita ao anaty tatarasy intsony fa fananam-panjakana («Domaine de l’État») ilay tany namidy. Tena tokony hiditra an-tsehatra ny Bianco satria resaka masiso sy mantsina be no ao ambadik’izany raharaha izany.

Ka samy handre izay ho tohiny isika mianakavy aoriana ao, fa androany aloha dia resaka kolotsaina sy harena no ho resahiko eto. Inona moa ny nahatonga io trano io hoe «Villa Elisabeth» ary inona ny antony tokony tsy hitikitihina azy mihitsy fa arovana aza no tena tokony atao? Mahavariana aloha fa dia volana Oktobra 2017 no nipoiran’io raharaha sady manahirana no mahamenatra io, ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Araho anie ny tantara e!

23 Oktobra 1817. Io andro io no nanaovan’i Robert Townsend Farquhar, Governora anglisy ao amin’ny Nosy Maurice, sy Radama I, zanaky ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, sonia fifanarahana voalohany anglisy-malagasy na «Premier traité britannico-malgache». Nanomboka teo dia nomena ny anarana hoe Mpanjakan’i Madagasikara i Radama I. Tsy hidiran-tsika lalina eto ireo fifanarahana, fa tsara ho tadidy ny hoe: efa tamin’izany fotoana izany dia nisy Anglisy monina teto Madagasikara. Tsy adino koa f’efa tamin’ny volana Aogositra 1818 no nigadona teto ny L.M.S. (London Missionary Society) notarihin-dry David Jones sy Thomas Bevan. Tera-tany anglisy ireo, mazava ho azy. Ary ny taona 1820 dia nisy Malagasy nalefa tany Londres, natao hoe masoivoho mandehandeha («ambassadeurs itinérants»).

Rehefa voazanaka ny firenena malagasy, nanomboka ny volana Aogositra 1896, dia teto foana ireo Anglisy ireo, tsy niditra mihitsy tamin’ny fomba fitantanan’ireo Frantsay ny tany sy fanjakana izay lasa fananan’i Lafrantsa tanteraka. Fa vitsy aminareo mpamaky no mahalala fa nisy anie izany hoe «Opération Ironclad» izany teto Madagasikara e! Tsy sarimihetsika mihitsy izy fa anarana miafina ara-miaramila nilazana ny fahatongavana ireo miaramila anglisy nanafika ity «colonie française» ity tao Toamasina sy Antsiranana, teo anelanelan’ny volana May sy Novambra 1942. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia teo ambanin’ny fahefan’i Vichy tarihin’ny Maresaly Philippe Pétain, izay niaraka tamin’ireo Alemà sy Japoney, ny governemanta frantsay (Ny Japon dia nandefa ny sambo misitrika (« sous-marins ») I-10, I-16 sy I-20, tao Antsiranana, ny 29 May 1942). Tamin’izany fotoana izany nisy ihany koa ny hoe «France Libre» (Lafrantsa afaka) notarihin’ny Jeneraly Charles de Gaulle avy ao Londres.

Nisy ny maty tao ny naratra. Frantsay: 150 maty, 500 naratra. Anglisy: 107 maty, 280 naratra. Ny tsara tadidy dia niady ho an’ny «fahafahan’» i Madagasikara eo anatrehin’ny Alemà sy ny Japoney ny Anglisy. Ny 8 Novambra 1942 dia nilavo lefona ny governora frantsay, Armand Annet, tao Ambalavao (Faritanin’i Fianarantsoa amin’izao fotoana izao). Nitsahatra ny ady ka 1200 ny miaramila Frantsay voasambotra. Vita teo ilay hoe «Opération Ironclad» fantatra koa, eo amin’ny lafin’ny Tantara, amin’ny anarana hoe «Bataille de Madagascar» na koa «Bataille de Diego-Suarez». Ary ao Antsiranana (Diego Suarez taloha) no misy ilay fasana anglisy na «Cimetière militaire anglais». Ao no milevina ireo miaramila rehetra maty teto Madagasikara, ka tafiditra ao amin’ny Commonwealth (fikambanan’ny tany miteny anglisy eo amban’ny fahefan’ny Mpanjakan’ny Angletera): Anglisy 166, Aostralianina 1, Afrikana atsimo 10, Afrikana atsinanana 132, Nosy Maurice 5, avy any Belgique 1. Tsara kolokolo io fasana io ary manana ny boky volamenany mihitsy. Maro ny mpizahan-tany mitsidika azy.

Izany, Tompoko, ny an’ny olona: tsy fafany mihitsy ny Tantarany, eny na dia lavitry ny Tanindrazany aza no niseho ny tranga nahakasika azy nivantana. Ny vazaha moa mahay mifanaraka foana, ka dia nijanona zanatany frantsay i Madagasikara sy ny mponina rehetra ao aminy hatreo. Ny 6 Febroary 1952 dia nodimandry ny Mpanjakan’i Angletera, George VI. Tsy nanan-janaka lahy izy fa vavy roa: Elisabeth sy Margaret. Satria moa Elisabeth no zokiny dia izy no nandimby ny rainy nanomboka io 6 Febroary 1952. Ny any moa tsy lany andro mitoritoreo fa mivatana: Maty ny Mpanjaka, ho ela velona ny Mpanjaka vavy («Le Roi est mort, vive la Reine»). Ny Talata 2 Jona 1953, tao amin’ny Abbaye ao Westminster, no andro natokana ho andro hametrahana ny satrom-boninahiny («Sacre» na «Couronnement») ka ho lasa Elisabeth II, Mpanjakavin’ny Angletera feno izy. Izany hoe 15 volana taorian’ny nahalasan’ny rainy.

Io anarana io no nanomezan’ireo Anglisy monina tao Alarobia-Ivandry ny anaran’ny trano nipetrahany. Ary nanomboka teo dia lasa «Villa Elisabeth» io trano io. Elizabeth ny fanoratana azy amin’ny teny anglisy. Rehefa niverina ny fahaleovantenan’i Madagasikara (26 Jona 1960) dia niala tao ireo Anglisy fa ny anarana nijanona. Ary dia natao ipetrahan’ireo minisitry ny raharaham-bahiny malagasy. Tsarovy fa ho fanajàna ny fifanarahana tamin’ny andron’ny Mpanjaka Radama I -izay notohizan’ny Mpanjakavavy Ranavalona I- dia nisy Malagasy nalefa tany Londres, ka anisan’izany ry Andriantsitohaina, Andriantseheno sy Ramanakoraisina, ny taona 1836. Ary dia noraisin’ny Mpanjaka Guillaume IV sy ny vadiny, Adélaïde, tao amin’ny lapan’i Saint-James ary koa Windsor izy ireo, ny volana Febroary 1837. Izany hoe, nanana ny fiandrianany tanteraka i Madagasikara satria neken’ny firenena lehibe any ivelany, tamin’izany fotoana izany: Amérique du Nord, Allemagne, France, Italie ary Angleterre izany. Io no toa mbola tadiavin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatramin’izao. Toa tsy mahalala ny tantaran’ny fireneny mihitsy ingahy io an!

Raha hiverenako kely io resaka masoivoho mandehandeha («ambassadeurs itinérants») io, dia mino aho fa vitsy ianareo amin’izao vaninandro izao ny mahalala fa in-dimy no nisy Malagasy nalefa ivelan’i Madagasikara, talohan’ny fanjanahantany. Tamin’ny andron’i Mpanjaka Radama I (1820); tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Ranavalona I (1836); tamin’ny andron’ny Mpanjaka Radama II (1862); tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Rasoherina (1863) ary tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy, Ranavalona II (1882). Tena nanana ny naha-izy azy tokoa izany hoe Madagasikara izany.

Izany rehetra izany indrindra no nahatonga ny Prinsesy Anne, zanaka vavy tokan’ny Mpanjakavavy Elisabeth II tonga teto Antananarivo, ho fahatsiarovana izany fifanarahana efa 200 taona lasa izay. Ary nigadona teto tokoa izy sy ny vadiny, tamin’ny datin’ny 23 Oktobra 2017. Ary dia nisy ny fotoam-pivavahana fangatahana fitahiana ny ampitsony, teny Ambohimanoro. Averiko, tsy maninona satria mamerina in-droa manana ny antitra: izany hoe 200 taona katroka taorian’ny nanaovana sonia ny fifanarahana voalohany tamin’ny andron’ny Mpanjaka Radama I. Fa dia naninona loatra re ireto Malagasy tsy valahara ireto no namoa fady, namoa-doza re e? Amin’izay taorian’ny nalahasalan’ny Profesora Zafy Albert mihitsy.

Dia tonga hatramin’ny hoe: ny tany no namidy fa tsy ny trano. Fa aiza moa io trano io no miorona? Tsy eo ambon’io tany io? Izany hoe ho ravana io vakoka io no ny tombontsoan’olo-tokana nanome vola tsy mifanaraka akory amin’ny tena lanjan’io toerana io, ara-tantara, ara-kolotsaina? Tsy nipetrapetraka ho azy tao koa anie ny fianakaviana Zafy fa nisy ny décret n°097-575 tamin’ny 30 Aprily 1997, mikasika ireo filoha nitondra teo aloha sy ny vadiny, izay manome alalàna hananan’izy ireo tranom-panjakana ipetrahany. Taty aoriana aza nohitarina bebe kokoa ny zon’ireo filoha nitondra teo aloha, eny hatrany amin’ny lehibena andrim-panjakana aza. Raha fintinina dia trano hifandimbiasana manan-kasina izy io, ka tsy nisy nanana eritreritra mihitsy, na iray segondra aza, hoe hisy Malagasy tsy manjary hahavita hivarotra azy amina fomba mamoehatra tanteraka. Dia ingahy Julien Reboza izany, mpiampy an’ingahy Hasimpirenena (ovay io anarana io!) Rasolomampionona.

Ny firenena tsy manana Tantara, tompoko, tsy firenena. Olona tsy misy fotony izany ny olona mipetraka ao aminy ka tsy handroso mihitsy fa viravirain’ny vahiny mandrizay. Raha dinihina izany dia tsy ny vahoaka malagasy ny voahozona fa mpiray tanindrazana toa ny tena no manozona ny taranaka sy zanaka amam-para. Ny any ivelany mampiditra vola ny trano nipetrahana na mbola ipetrahana olona malaza. Ny eto Madagasikara dia fananam-panjakana izao mbola misy mahita mampiasa ny fahaizany eo amin’ny lafin’ny fitiavan-tena, fitiavan-kely. 59 tapitrisa iraimbilanja na 12 tapitrisa ariary! Tsy efa lany izay? Tsy mahazo fiara 4X4 vaovao akory anie izany. Ankasomparana kosa angamba e. Fa ny vokany dia io. Naverina any amin’ny fanjakana ho fananany aloha io tany io. Inona tokoa moa ny «tombontsoa» azon’ny vahoaka malagasy amin’izany mivarotra fananana iombonana izany aloha e? Asa…

Ny andrasan’ny rehetra dia ny Filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no hilaza fa manomboka izao dia tsy misy ary tsy hisy intsony eto amin’ny tanin’i Madagasikara, fananam-panjakana, indrindra fa tany sy trano azo amidy intsony. Ary dia ho raiketina ho lalàna izany ho fiarovana ny vakoka ara-tantara maha firenena ny firenena iray. Fa kosa tsy atao ho fampanantenana ao anaty propagandy 2018 an! Izao dia izao no tanterahina izany fiarovana ny fananan’ny Malagasy izany. Satria ny vahoaka anie no tena fanjakana e! Ny vaohaka anie no tena mibaiko fa ianareo mpanatanteraka mandalo fotsiny ihany e! Misaotra mialoha, tompoko.

Farany mba tsy ho very tadidy tanteraka. Nisy fotoana dia tao amin’io villa Elisabeth io no namolavolana mpanao gazety («formation journalistique»). Mandehana manontany an’i Vahömbey sy Christiane Ramanantsoa raha mihevitra ianareo fa mandainga aho. Fa tsy angano velively ireo voarakitra an-tsoratra ireo fa Tantara marina. Ary ny soratra mitoetra (raha mandalo ny teny).

Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety "La Gazette de la Grande île" ny Alakamisy 02 Novambra 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 03 Novembre 2017 06:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Soanierana Ivongo. Me Tody Arnaud sy ny maha ratsy ny fampiasana fahefana miborioka

 

Antananarivo. Bazar de Noël 2017 du WMG, le 26 novembre au Carlton

 

AKAMMA. Fikambanan’ireo Ben’ny Tanàna Ambanivohitr’i Madagasikara

 

Hery Rajaonarimampianina. Grande manip’ avec la complicité du système de l’ONU

 

Madagascar Sport auto. Lanto Rajaonarison, énième victime de Jimmy Rakotofiringa

 

Madagascar Sport auto. Jimmy Rakotofiringa et sa volonté de tout escamoter

 

InSPNMad. C’est la rentrée pour cette Université internationale professionnalisante

 

Antananarivo. 4è Festival mondial des Lémuriens, patrimoine national et amis à protéger

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter