]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Soanierana Ivongo. Me Tody Arnaud sy ny maha ratsy ny fampiasana fahefana miborioka

Soanierana Ivongo. Me Tody Arnaud sy ny maha ratsy ny fampiasana fahefana miborioka

Nanako tokoa iny resaka Rossy tsy afaka nanao fampisehoana tany Soanierana Ivongo iny. Nivoaka daholo ny horonan-tsary (videos) sy horonam-peo isan-karazany fa ny olona tena lasa «vedette» dia ilay hoe Me Tody Arnaud, solombavambahoaka voafidy tany. Isika tsy hiditra hoe antoko na vondrona antoko inona no nisy ary hisy azy aloha, fa ilay fomba fampiharany ny fahefana ananany no mahazendana.

Raha zohina ny tantara dia efa nahazo fahazoan-dalàna avy amin’ny Ben’ny tanàna Ralaimamonjy Charles i Rossy izay nandoa ny rehetra tokony naloa ho an’ny Kaominina ambanivohitr’i Soanierana Ivongo. Fa taty aoriana vao nivadika horera ilay tantara. Asa, fa toa fialonana miaro pôlitika maloto no nahatonga ilay izy. Hany ka nahetsika daholo izao karazana manam-pahefana rehetra misy any. Ary voabaikony tokoa. Efa nomen’ny tribonaly rariny anefa i Rossy fa e e e! Misy tokoa ny olona miaina amin’ny hoe: ataoko mahalala ny anarako. Dia ahoana moa ny fomba atao amin’izany?


Dia ilay fomba hita fa tena ratsy sady mampidi-doza nefa mbola ampiharina hatramin’izao taonjaton’ny vaovao eo noho eo («siècle de l’information en temps réel») izao. Tany izy io Me Arnaud io tena niseho fa izy no tompon-tanàna ka na depiote mitovy aminy aza nataony ialahy imasom-bahoaka sady mbola nokasihany tànana. Voarakitra ao anaty “videos” daholo izany rehetra izany. Fa ny tiako ahatongavana dia ity resaka fanavakavahana ity nefa samy Malagasy, samy tompon’ity Madagasikara ity, n’aiza n’aiza aleha ho an’iza n’iza mizaka zom-pirenena malagasy. Ho an’ingahy Tody Arnaud dia ambany kilasy i Rossy ary tsy any aminy (Soanierana Ivongo, faritanin’i Toamasina), hono, no hiseho ho inona nefa «bas quartiers» (tanàna ambany, iva) no mba entina sy nahavoafidy. Tsaroana fa voafidy tao amin’ny boriborintany faha-4 eto Antananarivo i Paul Bert Rahasimanana na i Rossy ary solombavambahoakan’i Madagasikara izy toa ireo namany miisa 150 ao Tsimbazaza.


Tany daholo izany karazana resaka mampisara-bazana izany sy mira fanavakavahana ara-poko («racisme») mihitsy aza no heno sy hitan’ny vavolombelona maro ary koa azo “vidéos”. Kanefa, rehefa injay tonga eto Antananarivo io Me Arnaud io, dia toa anjely latsaka an-tany ka  lasa «zoky» indray i Rossy natao ialahy tany Soanierana Ivongo, dia lasa manaja be sy mitady marimaritra iraisana tampoka teo. Tao amin’ny Viva sy Kolo Tv izany no hita sy re. Tena nanao ratsy matoa manambitamby, hoy ny mpanaraka ny tantara. Fa izao: toa ny zava-drehetra dia nisy fiantraikany ny nataony. Ary dia niaka-tsehatra ara-bakiteny ny fikambanana rehetra avy any amin’ny «bas quartiers» niaro an’i Rossy: Bemiranga, Favori, VAM, Zamami…

Ny zoma 17 Novambra 2017, tonga tao amin’ny kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny solontenan’izy ireo ary tsotra ny nangatahiny avy amin’i Me Tody Arnaud: fialan-tsiny ampahibemaso amin’ireny teny sy fihetsika nataony tamin’ny Mpanjakan’ny Tapôlaka. Fa tamin’io fotoana io indrindra no tonga tao koa ny Ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo, Ralaimamonjy Charles, nanamafy ilay didim-pitsarana talohan’ny gidragidra: nomen’ny tribonalim-panjakana («tribunal administratif») any Toamasina rariny tokoa i Rossy taorian’ny fitoriany. Izany hoe afaka nanao fampisehoana an-kalalahana tao Soanierena Ivongo ny tarika Rossy. Zavatra hafa mihitsy anefa no nitranga izay nanakoako hatraty an-drenivohitra. Ary dia nahetsika daholo izay azo nahetsika toa ilay hoe OMC (Sampan’ny miaramila, zandary ary pôlisy mitambatra). Fahefana avy aiza moa no ananan’io solombavambahoaka mibaiko ireo rehetra ireo? Mpanao lalàna anie izany depiote izany e!

Eo amin’ny lafin’ny pôlitika noresahiko tam-boalohany indray dia mazava ilay nahatonga an’i Me Arnaud mampiseho fa izy no «rôle» any Soanierana Ivongo. Re mantsy fa nanara-dia an-dry Maharante ary Nicolas sy ny forongony (Mapar I, Mapar II toa milaza fa kambanana i Andry Rajoelina), io Me Tody Arnaud io ary dia ny handoto ny Mapar avy ao anatiny, indrindra fa ny filohan’ny tetezamita teo aloha no tena lasibatra («cible») ka tetehina lotoana izay tsy izy. Tiany naseho izany fa tsy mifanaraka ny ao amin’io vondrona pôlitika io. Aza adinoana fa efa akaiky ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy nilaza mihitsy ny filohan’ny tetezamita teo aloha fa tsy hilatsaka ny tenany.


Fa raha hiverenena ny fanavakavahana (aleo mihitsy laizaina hoe «ostracisme» tsotra izao) nasehon’i Me Tody Arnaud dia izao e: olona toa azy io no mahatonga ny vahoaka malagasy tsy tia pôlitika eto Madagasikara. Ary tsy izy irery, indrisy. Izaho manokana aloha dia tsy mino fa efa niravona io raharaha io. Nandrasana tao amin’ny onjam-peo Antsiva izy ny alatsinainy lasa teo fa tsy nipoitra na dia efa nanaovana filazana aza («annonce»). Tsy mba niala tsiny akory fa toa ny namana Michel Ralibera indray no nilany kisa satria, hono, mihaino lakolosy tokana. Fa inona aloha ny antony nanapenana tamina “parpaings” ny fidirana ao amin’ilay kianja rehefa avy teo no niditra ny fitaovana efa 10 tonnes mahery nentin’ny tarika Rossy avy aty Antananarivo? Dia avy eo lazaina fa i Rossy no nanimba zavatra sy kasihan-tanàna. Azo “vidéos” daholo izany rehetra izany.

Ka mba ovao ny famindra fa ny volaben’ny Hvm anie tsy mahatonga any amin’ny Mausolée e! Farany: diso tanteraka i Me Arnaud nilaza fa niditra an-keriny tao amin’ilay kianja i Rossy tamin’ny sasak’alina. Raha olona avara-pianarana toa azy (mahay miteny frantsay be koa izy) dia tokony fantany fa rehefa hanao fampisehoana ny mpanakanto matihanina dia ny alina alohan’ilay andro voatondro foana no manangana ny «Chapiteau». Fa tsy ny atoandro mihitsy. Mameran-tany io Tompoko ô! Ny soa fianatsa, hoy ry zareo betsileo, ary mahavokatse. Eto Madagasikara dia ny avara-pianarana sasany mihitsy anefa no manao fitondran-tena toa olona tsy nianatra any ka na izany lalàna izany aza tsy raharahiany. Aiza moa no tsy hirongatra izao zava-doza rehetra izao satria ry zareo voafidy na voatendry foana no manome ny ohatra ratsy. Ary tokony ajanona tanteraka ilay fomba mbola mitoetra dia ny manao tsy refesi-mandidy any lavitra any -tena miborioka tanteraka ilay fahefana ananana- kanefa mifanipaka amin’izany rehefa miseho fahitalavitra sy miteny amin’ny onjam-peo eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Ny tranga maneran-tany anie miampita eo no eo amin’izao vaninandro izao e!

Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande île", Alarobia 22 Novambra 2017 koa io lahatsoratra io

Mis Ă  jour ( Mercredi, 22 Novembre 2017 19:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO