Rolly Mercia. Efa miseho masoandro amin’izay ny tetika hamonoany ny tenany

Lundi, 27 Novembre 2017 04:20 Madagate affiche
Imprimer

Araka ny fanadiadiana nataon’ireo namana mpanao gazety any Mahajanga dia maika be loatra ingahy minisitry ny Serasera Harry Laurent Rahajason na ilay mpanao gazeTy nalaza lasa nalazo tanteraka, ka ho votsitra daholo ny tombatombany ho lasa manefoefo toa i Mbola Rajaonah na koa Mbola Tafaray, ilay mpanolo-tsainan-dry Hery sy Voahangy Mivady. Toa diso manao izay mety loatra ka sady tsy manompo firenena no tsy manompo vahoaka ary tsy manompo ihany koa ny filoha Hery vaovao sy ny antoko Hvm fa dia manao ny politikan’ny « izaho samy irery ». Fa dia izy irery tokoa no ho tratra farany eo rehefa injay tonga ilay fotoana handaozana io fitondrana io. Alohan'ny handaozany ity tany fandalovana ity ka tsy n'inona n'inona ho entina any ankoatra any. Tsy maintsy ho avy ireo fotoana izany. Io manaraka io aloha ny tetika (fika hoy ny tanora) nataony tany Mahajanga tany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 27 Novembre 2017 05:57 )