Madagasikara. Karatra mpanao gazety: ataovy any ny anareo!

Vendredi, 15 Décembre 2017 06:42 Madagate affiche
Imprimer

Mpanao gazety nanomboka ny taona 1984. Tsy homena karatra intsony satria, hono, tsy gazety ny medias on line. Fanampenam-bava tsy misy toa izany. Merci Rolly fa ny fiainana mbola hitohy

Fa inona no antom-pisian’ny Holafitra ny mpanao gazety no salovanin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitra Rahajason Harry Laurent ny raharaha momba izany e? Ny Holafitra ny mpanao gazety no tokony hanangana vaomiera misokatra ka hahitana ny solontenan’ny seha-piasana, toy ny mpanao gazety amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny mpanao gazety avy amin’ny gazety an-tsoratra, ny avy amin’ny onjam-peo tsy miankina, ny avy amin’ny mpampiasa tompon’ny orin’asa fanaovan-gazety… ary afaka manara-maso ny ministera, dia izay.

Tena tsy avelan’ny fitondram-panjakana halalaka mihitsy ity asa fanaovan-gazety ity, ary tsy misy valaka amin’ny tetika nataon-dRavalomanana tamin’ny fampandaniana an’i Ruphin Rakotomaharo (Rnm) ho filohan’ny Holafitra ny mpanao gazety tamin’ny fotoana andro, ka nanitsanana an’i Rolly Mercia (Rahajason Harry Laurent), izay notohanan’ny ankamaroan’ny mpanao gazety avy amin’ny tsy miankina amin’ny fanjakana.

Tra-pahavoazana (victime) tamin’izany toetra mamoehitra izany i Rolly Mercia nefa dia io izy mamerina sy manamafy ny tetika maloton-dRavalomanana tamin’ny fotoanandrony io.

Izahay eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile dia milaza ampahibemaso fa tsy handefa ny lisitra ny mpanao gazety ato aminay hanaovan’ny minisitra Rahajason Harry Laurent «sinema» fotsiny sy hanasongadinany ny pôlitika malotony amin’io. Azonay antoka fa ho maro ny orin’asa fanaovan-gazety tsy miankina no tsy hanaiky an’io fepetra miendrika jadona io.

Dia ataovy ao ny anareo, ary omeo karatra maha-mpanao gazety matihanina avokoa hatramin’ny mpamafa trano sy mpahandro sakafo mbamin’ny mpanasa fiarakodia ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana manomboka eto andrenivohitra ka hatrany amin’ny faritra rehetra any mba hanamaro isa ny ho mpifidy ny olona hatolotra ny minisitra Rahajason Harry Laurent ho filohan’ny Holafitra rehefa vita izany rehetra izany. Fantatra ange fa natokana ho anareo mpanao gazety mpanohana ny fanjakana sy voafehin’ny fitondrana Hvm io e !

Raha azonareo Hvm hosakanana tsy mahazo manao gazety intsony moa izahay amin’izay dia andraikitrareo izany, ary aza hadinoina fa izay fitondram-panjakana nanangam-pahavalo ny mpanao gazety teto, dia nanara-dia an-dry Tsiranana sy Ratsiraka ary Ravalomanana sy ny hafa…

D.R. – La Gazette de la Grande île, 15 Desambra 2017

Mis à jour ( Vendredi, 15 Décembre 2017 07:00 )