Madera (Désiré Philippe Ramakavelo): «Tsy matahotody»

Mardi, 08 Mai 2018 10:14 Madagate affiche
Imprimer

- Tena misy dia misy ny tsy matahotody

manao lango malefaka mampody mandry

dia sahin’izao ny milaza ny vato ho lasa atody

ho solon-tsakafo, dia indro manaiky ny osa sy kely sandry.

Anisan’ireo tena mampahantra ity firenena

ireo tsy matahotody, ka mbola sahy mamitaka, mametsifetsy

Milaza ny mpamakafaka: andeha ange ho jerena

ny harem-pirenena naondran’ireo tsy matahotody

mampiorin-koditra, mahalasa fisainana, mampivembena

fa tena mampiditra poizina hamonoana ity firenena.


- Mba raha oviana loatra no ho tonga saina

ny Malagasy mora fitahina, mora ambakaina?

Dia iny tokoa fa manao rodobe, mpiray ombon’antoka

dia fandravana sy fanapotehana ny teny afantoka.

Dia mihika aok’izany, feno haravoana, fa ho tena mpandresy

tsy fantany mantsy fa ny fahantrana dia hibosesika sy hanao an-kisesy.


- Ny nenina hono tsy eo aloha mba hananatra, fa aoriana an-datsa

Ohabolan-drazana io, mbola mitoetra toy ny tombokavatsa.

Tsy azo kosehina fa hibaribary amin’ireto taranaka

fa nisy dia nisy ny « tsy matahotody», hoy dada amin’ny zanaka.

Ny tantara hono mantsy tsy fanadino fa hitoetra hatrany

izany tokoa dia lalàna maharitra ary misy eto an-tany.


MADERA (Andrainarivo, faha-06 May 2018)

Mis à jour ( Mardi, 08 Mai 2018 10:18 )