Lantomalala Rasata. Nalevina ny 7 Jolay 2018 ao Anjomakely Manelo RN7

Samedi, 07 Juillet 2018 03:52 Madagate affiche
Imprimer

Noho ny aretina nahazo azy dia nodimandry tao amin’ny hôpitaly miaramila (HOMI) Soavinandriana, ny Alarobia 4 Jolay 2018, teo amin’ny faha-56 taonany i Lantomalala Rasata, mpanao gazety ao amin’ny TVM (Televizionina Malagasy).

Mpanao gazety matihanina vita fiofanana tany amin’ny Firaisana Sovietika (URSS teo aloha) izy. Ny taona 1990 izy no nanomboka niasa tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM ary anisan’ireo mpanao gazety nisahana ny fanatanjahantena (« journaliste sportif ») izy.

Fa isan’ireo mpanao gazety nanokatra ny Radio Tsioka Vao (RTV) ihany koa i Lantomalala Rasata tamin’ny taona 1991-1993. RTV izay nahenona an-dry Pierre Holder, Pamphile Rambelo ary Maurice Tsihiavonana izay vao nodimandry ny 2 Jolay 2018. Tao i Lantomala dia nampiofana tanora naniry ho mpanao gazety. Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2016 dia Talen’ny Tvm i Lantomalala Rasata.

Ny Sabotsy 7 Jolay 2018 izy no navelina ao amin’ny fasan-drazany ao Anjomakely Manelo Lalam-pirenena faha-7. Amin’ny alàlan’ny anarako dia miara ory amin’ny fianakavian’i Lantomalala iray manontolo ny madagate.org.

Mandria am-piadanana zandry.

Jeannot Ramambazafy

+++++++++++++++++++++++

Mis à jour ( Jeudi, 12 Juillet 2018 15:12 )