Tsiadana, Antananarivo II. Navitrika tokoa ny vehivavy IEM VINA13

Dimanche, 16 Décembre 2018 07:14 Madagate affiche
Imprimer

ADIDY SY TANTARA. Tsiadana, Antananarivo II. Navitrika mihitsy ny vehivavy IEM-VINA 13 ao anatin'ity fokontany ity.

Ary nahavariana tokoa fa tsy nisy lehilahy mihitsy no niaraka tamin'izy ireo.


Tsiadana moa dia midadasika ihany satria manomboka amin'iny làlana mankeny Ankatso iny ary mipaka eny amin'iny làlana mankeny Ambohipo iny.

Malagasy mivelona amina sasa lamba, fivarotana enta-madinika isan-karazany, mpanampy tokan-trano, dôkera na mpibata etana. Maro ny ankizy no tsy mianatra satria mahantra ny raimandreniny.

Azo lazaina ihany koa fa misy ny zavatra rehetra ilaina andavanandro ao Tsiadana, fa ny fahefana mividin'ny mponina ("pouvoir d'achat") dia ambany dia ambany ao. Mpiavy ny ankamaroan'ny mpivarota saribao, kafe, sns. Raha tsorina dia anisan'ireo faritra menan'ny fahantrana ny fokontanin'i Tsiadana izay mizara faritra ("secteurs") efatra ka ireo roa ambanin'Ambohidempona no tena "lavitr'andriana"...

Ao no tena mbola hahitana paompy andoavam-bola sy ireny "bidons jaunes" mitaratra ny fahantrana tanteraka. Misimisy ihany koa ny trano tsy misy jiro, tsy misy trano fivoahana.

Ny tanora moa toa tsy misy mpiahy eo amin'ny sehatry ny fanjakana, any ka mirona amin'ny zava-maha-domelina ka tsy vitsy no lasa olon-dratsy.

Maro dia maro ny elakelan-trano ao Tsiadana ao any ka matetika no mandre fa nisy fanafihana mpivarotra na tokan-trano ana olona heverina fa hoe manan-katao.

Rehefa avy moa ny orana, ary fotoanany izao, dia fotaka no tontolon'ny mponina ao Tsiadana sy riaka mitondra maloto tokoa.

Miandrandra fanovana anefa ny ankamaroan'ny tanora. Ary ny fanirian'ny maro an'isa dia mba tanora toa azy ireo no ho lasa filoham-pirenena satria mba mitovy fijery, mitovy "feeling".

Satria tokoa resena lahatra am-pitiavana ny mpifidy, lavitry ny herisetra sy ny lainga ary fanambaniana ataon'ireo mpomban'ilay milaza foana fa kapoakany daholo izao tontolo izao.

Izay no nahatonga ireto vehivavy IEM-VINA 13 ao anatin'ity fokontany ity nitety ny azy ka nandresy lahatra fa ny kandida n°13 ihany no ao anatin"izany fanirian-dry zareo izany.

Ireto ary misy video roa (02) sy sary miisa telo ambin'ny folo (13) hafa, nalain'i Mialy Audrey, mirakitra ny "porte-à-porte" nipetraka teo amina Fanabeazana am-pitiavana momba ny zo sy adidin'ny olompirenena malagasy izay natao androany sabotsy 15 Desambra 2018 tolakandro.

Ary tsy adino ny nanazava ireo Velirano miisa 13 ihany koa nataon'ny kandida Andry Rajoelina ka tsy maintsy ho tanterahiny toa ny Lapan'ny Tanàna, ny Coliseum, ny Kianjan'ny Makis, ny hopitaly manara-penitra navelan'i Hery Rajaonarimampianina ho simba am-pitoerana tsy nasiany dokotera, tsy nasiany fitaovana, tsy nasiany fanafody, ireto trano mora nahodikodin'ny fitondrana Hvm. Ireo no nivainga vita sy tontosa soa aman-tsara na dia tsy nisy famatsiham-bola avy any ivelany.

Tsy natao ho an'ny fianakavian'i Andry Rajoelina ireo fotodrafitrasa ireo fa ho an'ny Malagasy izay mampiasa azy daholo tsy misy fanavahana.

Tsotra ny fehin'izany rehetra izany : MANDEHANA MIFIDY AMIN'NY ALAROBIA (tsy miverina) 19 DESAMBRA 2018 ARY MAHAIZA MIFIDY NY KANDIDA LAHARANA FAHA-13

EKIPAN’NY VEHIVAVY IEM VINA13 ETO TSIADANA

Sary sy Vidéos : Mialy Audrey

Mis à jour ( Dimanche, 16 Décembre 2018 08:19 )