]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

Antananarivo, 13 Desambra 2018. Maro ny fanapahan-kevitra noraisina nandritrin’ny filan-kevitry ny minisitra io andro io ka anisan’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony.

Tao anatin’izany dia tao ny nanendrena ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra (Ministère des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique - MPTDN) Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, izay efa Talen’ny Kabinetran’io minisitera io ihany teo aloha. Marihina fa manampahaizana manokana eo amin’ity sehatra ity ny tenany ary anisan’ny nahafantaran’ny olona rehetra azy tamin’izany fotoana ny nampiromboroboany ny « Habaka » izay izy no Filoha mpitantana nanomboka ny taona 2011 ka hatramin’ny 2016.

Ankoatra izay, efa nisahana andraikitra ambony maro teto amin’ny tany sy ny firenena Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, nialoha izao nanendrena azy ho Sekretera jeneraly izao. Anisan’izany ny naha Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao amin’ny minisiteran’ny Indostria ny taona 2017-2018. Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ihany koa izy satria nantsoina manokana ny tenany nandamina ny disadisa sy ny fifanoherana nisy teo amin’ny ministra vaovao, Maharante Jean de Dieu, sy ny mpiasan’ny minisiteran’ny Paositra Malagasy tamin’ny fiandohan’ny Governemanta tarihin’ny Praminisitra Ntsay Christian.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, voafidin’ny « Institut Choiseul » (Frantsa) ho anisan’ireo tanora Malagasy Afrikana latsaky ny 40 taona mendrika sy hafaka hitondra fandrosoana ho an’i Afrika ny tenany tamin’ity taona 2018 ity.


Nambaran’Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany fa : « ahafahako mametraka bebe kokoa ny dian-tanako mikasika ny haitao ara-kajy mirindra manoloana ny politikan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ankehitriny (« Numérique pour tous »), ity andraikitra vaovao nomena ahy ity. Tokony hapetraka tsara, hoy izy, ao an-tsaintsika fa andry iankinan’ny toe-karena Malagasy izy io amin’ny ho avy ary hamorona asa maro eto amin-tsika indrindra fa hoan’ny tanora Malagasy ».

Dia arahabaina izany Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka izay tena tanora dia tanora tokoa kanefa efa nisahana ary manohy misahana andraikitra tena makadiry.

www.madagate.org

Mis Ă  jour ( Dimanche, 23 DĂ©cembre 2018 14:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO