Lucien Irmah Naharimamy. Misaotra ny vahoakan’i Marolambo

Dimanche, 27 Janvier 2019 07:05 Madagate affiche
Imprimer

Amin'ny anaran'ny vahoakan'ny Marolambo sy ny vahoakan'ny faritanin'i Toamasina iray manontolo dia misaotra anao izahay Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ianao Andriamatoa Praiminisitra, amin’ny mbola nametrahanareo fitokisana amin'i Ramatoa Minisitra Lucien Irmah Naharimamy ny hitantana hatrany ny minisiteran'ny Mponina.

Fa tsy hadinonay ihany koa ny misaotra an'Andriamanitra satria izy no nandahatra izao rehetra izao. Miarahaba anareo voatendry ho minisitra ihany koa, ary mirary anareo ahavita antsakany sy andavany ny adidy aman'andraikitra rehetra mbola ho sahaninareo.


Ho an’i Ramatoa Minisitra Lucien Irmah Naharimamy manokana dia Andriamanitra anie no itahy sy hanoro làlana anao amin’izay rehetra mbola ho ataonao. Satria efa betsaka ny vitanao ary mbola maro ihany koa ny adidy miandry anao, mba ho fiahiana ny Mponina sy ny Vahoaka Malagasy iray manontolo.

Lindbergh Chrys Yves

Filohan’ny Departemanta TGV/MAPAR District Marolambo

Mis à jour ( Dimanche, 27 Janvier 2019 07:21 )