Mahanoro. Fara-veloma ho an’i Jean Lucien (1953-2019)

Samedi, 16 Février 2019 04:34 Madagate affiche
Imprimer

Mahanoro, Zoma 15 Febroary 2016. Rehefa nandaho ny tranony ao amin’ny cité Valpinson, Toamasina ny nofo mangatsiakan’i Tompokolahy Jean Lucien -Papan’ny minisitry ny Mponina, Lucien Irmah Naharimamy- izay nodimandry ny 13 Febroary 2019, dia nentina fiara « corbillard » ho any Mahanoro (250 km eo ho eo avy ao Toamasina).

Ny Sabotsy 16 Febroary 2019 i Tompokolahy Jean Lucien no halevina ao amin’ny fasan-drazany ao Mahanoro ihany.

Aminy iray ora dia hisy fotoam-pivavahana ao an-tranony ao Ampapagnambo ary aorian’izay izy no halevina ao an-fasan-drazany ao Andranolava.
Amin’ny anaranan’ny ekipan’ny madagate dia maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny Minisitra Lucien Irmah Naharimamy tsy ankanavaka.

Jeannot Ramambazafy – Sary Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Samedi, 16 Février 2019 05:11 )