FAFAH tarika Mahaleo. Nodimandry ny 20 Oktobra 2019

Lundi, 21 Octobre 2019 04:15 Madagate affiche
Imprimer

Tarika MAHALEO. Nodimandry androany Alahady 20 Oktobra 2019, teo amin’ny faha-65 taonany, i Famantanantsoa Rajaonarison Andriamihaingo na i FAFAH.

Lasa nanara-dia an’i RAOUL (nodimandry ny 03 Septambra 2010) sy NONOH (nodimandry ny 29 Aogositra 2014) izy.

Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Fafah tsy ankanavaka sy amin’ny tarika Mahaleo ny tenako, amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate.

Jeannot Ramambazafy

***************************

TSAROANAY TOKOA
Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay.

Ny lasa hitodianay
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Nihahy sady nanasoa.

Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Mahay misaotra Anao anie
Ry Rainay be famindra-po.

***************************


***************************

Mis à jour ( Mardi, 22 Octobre 2019 11:16 )