DADAH tarika Mahaleo. Nodimandry ny 03 Novambra 2019

Lundi, 04 Novembre 2019 13:49 Madagate affiche
Imprimer

Tarika Mahaleho. 15 andro katroka taorian’ny nahalasan’i Fafah (ny Alahady 20 oktobra 2019) dia nandao ity tany fandalovan ity i Dadah Andrianabela Rakotobe na i Dadah R’Abel (ny Alahady 03 novambra 2019, tamin’ny 5 ora sy 20 minitra hariva tao amin’ny hopitaly atsimo ao Antsirabe) zandrin'i Nonoh (nodimandry ny 28 Aogositra 2014). Hatreto izany dia i Bekoto, Charle sy Dama sisa no tavela. Ontsa ny fo fa atao ahoana moa? Tsy azo everina na iray segondra ny sitrapon’Andriamanitra fa dia voarakitra ao anatin’ilay hiran’ny tarika « Voankazo voarara » ny hafatra :

(...)
Mifankatiava raha mbola velona

Izany indrindra no maha-olombelona

Mifanapia
Mifanasoava (...)


Ho an’ireo izay tsy mino dia tsotra, tompoko :

Lahatra izany. Ny fahafatesana tsy mampilaza sy manome fotoana fa tonga toa mpangalatra. Mifankatiava foana dieny mbola velona fa tsy misy mahalala izay hiseho rahampitso e!

Raha ny fandaharam-potoana, izay nampitain'ny namana mpanao gazety Jean-Paul Randrianiaina, miasa ao Antsirabe, nialohan'ny nahatongavan'ny ferapara taty amiko, dia toa izao manaraka izao :

Ao an-tranony any Antsirabe ny razana amin'izao fotoana izao.

Ho entina miakatra eto Antananarivo ny Alarobia 06 Novambra 2019 maraina dia ho entina hiaretan-tory ao amin'ny Palais des sports ao Mahamasina.

Hiala ao ny Alakamisy 07 Novambra 2019 hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Cathédrale Analakely, mialohan'ny hitondrana azy any Betafo, izay toerana misy ny fasan-drazany handevenana azy io andro io ihany.



Amin'ny anaran'ny ekipan'ny madagate aho no maneho ny fiaraha-miory amin’ny havan’i Dadah tsy vakivolo sy amin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleho sisa tavela ary koa amintsika mpankafy an-tapitrisany maneran-tany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 05 Novembre 2019 07:17 )