Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

Lundi, 02 Décembre 2019 02:19 Madagate affiche
Imprimer

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 (“Loi de Finances 2020”).

 

Nolanian’ny Solombavam-bahoaka rehetra tsy ankanavaka nivory tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny Sabotsy harivan’ny faha 30 novambra 2019 ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 Oktobra 2019 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020.

 

Ny lanjam-bidy amin’ny fadintseranana mahakasika ny bolabolan-tsavony kosa dia notànana ho 10% toy ny taloha, raha toa ka 20% ny tahan’ny haban-tseranana noheverina norakaitina tao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2020 ity.

Talohan’izao fivoriana ampahibemaso nahalanian’ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 izao, dia nisy fampahafantarana ankapobe nataon’Andriamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Randriamandranto Richard,  tao Tsimbazaza misy ny Antenimierampirenena.

 

Nisy famelabelaran-kevitra noho izany izay nanehony mahazava-dehibe ireo fototra iorenan’ny Drafitry ny Fisandratan’i Madagasikara, dia ny lafiny ara-tsosialy, ny fitantànana ary ny toe-karena. Tsara ny manamarika, fa ny 39.57% ny tetibolam-panjakana dia natokana ho an’ny lafiny ara-tsosialy, 30,3% ho an’ny seha-pamokarana, ary ny 21,07% eo amin’ny sehatriny fotodrafitrasa. Vinavinaina ho 05,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 06,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020.

 

Io Taha-pisondrotan’ny vidim-piainana io dia heverina fa hihena miandàlana hatramin’ny taona 2023, ary ny fampiasam-bola kosa, na ho an’ny fanjakana na ny tsy miankina, dia hatevenina mba hanosehana ny Fandrosoana. Ny fanatsaràna ny taham-pampidiran-ketra, izay vinavinaina ho 11,5%, no anisan’ny fomba ho entina manatratra ny tanjona kendrena.

 

Aorina’io fandaniana ny Làlana mifehy ny Tetibola 2020 teny amin’ny Antemierampirenena io dia ireo Loholona eny amin’ny Antenimieran-doholona ao Anosikely kosa indray no handinika azy./.

Antenimierampirenena Tsimbazaza