Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

Lundi, 23 Décembre 2019 08:09 Madagate affiche
Imprimer

Fanomezana lanja ny marefo no anisan'ny tanjona ijoroan’ny Lions Club “Santatra New Century”. Eo koa ny fanamaivanana ny fahasahiranana efa misy, ary fampifaliana ireo ankizy sahirana ho toy ny ankizy rehetra.


Manana ny teny filamatra rahateo ny fikambanana izay mifanaraka amin’ny asa soa ataony : “Ensemble pour la renaissance de la générosité”. Ny Sabotsy 21 desambra 2019 dia nisy fety niarahan’ny fikambanana tamin’ireo ankizy sahirana teny Ambohimanambola sy teny Ivato.


Ankizy miisa 220 no nozaraina kilalao sy sakafo. Natao izao hetsika izao dia mba tsy atao fahazarana ny mahita ny mahantra ka lasa tsinotsinoavina izy ireo. Manentana ny mpiara-belona ny Lions Club “Santatra New Century” mba tsy hanadino ireo sahirana, indrindra amin’izao ankatokin’ny Noely izao.


Tsahivina fa ny 30 novambra 2019 dia nikarakara fampisehoana niaraka tamin’ny tarika Jaojoby teny amin’ny espace “Art Gout” ao Ivato ny fikambanana ka nafahana nividy sakafo sy kilalao ho an’ireo ankizy sahirana ireo.

Andry Rakotonirainy