Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

Mardi, 11 Février 2020 04:03 Madagate affiche
Imprimer

FILAZANA AN-GAZETY

MASOIVOHO FRANTSAY ETO ANTANANARIVO

FAHA-10 FEBROARY 2020

Teo anelanelan'ny 19 janoary sy 23 janoary 2020, dia tratran'ny fitobiana tsindrin-drivotra iva narahina orana mikija i Madagasikara. Niteraka fahavoazana goavana izany, indrindra fa tamin’ny faritra 7, dia I Sofia, Alaotro Mangoro, Boeny, Diana, Betsiboka, Melaky sy Analamanga (olona maty , olona tsy hita popoka, olona nafindra toerana, famotehana ary tondraky ny trano, sns).

Mijoro eo anilan'i Madagasikara I Frantsa ary mitondra ny fanampiany amin'ny alàlan'ny PIROI (Plate-forme d’Intervention Régionale Océan Indien) (1) na ny Velara-marin-tampona firotsahana an-tsehatra ara-paritra Ranomasimbe indianina. Nitondra fanampiana ara-bola ny fanatanterahan’ ny drafitra hetsika vonjy maikan’ny governemanta malagasy, hatramin'ny 190.000 euros (ka ny160.000 euros dia avy amin'ny Foibe krizy sy fanampiana an’ny Minisitera ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny frantsay) ny PIROI, ka nanetsika ireo tahiry roa teo am-pelatanany teto Antananarivo sy tany Toamasina hizarana fitaovana marobe: 2000 lay misy ody moka, 650 tamba-kojakoja fialofana, 650 tamba-kojakoja fitaovana, 1300 labasy, 1.000 siny bevava ary 360 tranolay.

Ny mpiara-miasa vahiny amin’ny « fiarovana sivily » ao amin’ny fiarovana anatin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izay napetraka teo anivon’ny Birao maharitra misahana ny loza voajanahary (BNGRC), dia nitondra koa ny traikefany sy ny fahaizany ara-teknika rehetra nandritra ny dingana vonjy voina sy fanarenana ary nanamora, hatrany am-piandohana, ny fifandraisana teo amin’ny manampahefana Malagasy, ny tompon'andraikitry ny PIROI, ny sampan-draharaha an'ny masoivoho frantsay eto Antananarivo sy ny Foibe krizy sy fanampiana (CDCS) any Parisy.

Manampy ny tafika malagasy koa i Frantsa. Taorian'ny fangatahan'ny governemanta Malagasy, ny Tafika frantsay aty Atsimon’ny Ranomasimbe indianina (FAZSOI), izay manana fahafahana ara-pitaovana, dia hanohana ny tafika malagasy hiantoka ny fandatsahana sakafo sy fanafody any amin’ny faritra voina sy sarotra aleha amin'ny alàlan'ny CASA CN-235 (2) ny. Miaramila tekinisianina frantsay ny FAZSOI am-polony, mitoby ao La Reunion, no tonga eto Madagasikara nanomboka ny 6 febroary teo ka hatramin'ny 14 febroary, hanofana miaramila ny tafika an'habakabaka momba ny fandatsahana entana amin’ny fiaramanidina mba hahazoan’ireo tra-boina fonosan’entana kely alatsaka avy eny amin’ny habakabaka.

Mba hiantohana amin’ny ho avy, ny fandraisana fepetra haingana kokoa raha sendra misy fahavoazana iray lavaka vaovao, dia nanapa-kevitra ny PIROI hampitombo ireo tahiry misy eto Antananarivo ka hampiatrana, miainga avy amin'ny trano fitobiana entana ao La Réunion, tahiry fanampiny ho amin’ny zava-tsy ampoizina, ho ana fianakaviana 650 (entana tsy fihinana sy tamba-kojakoja hanamboarana indray trano).

__________________

  1. Ny PIROI dia fitaovam-piasan'ny Vokovoko Mena frantsay izay miankina amin'ny Sampan-draharaha mpitantana ny fifandraisana sy ny raharaha iraisampirenena (DROI) izay manantontosa hatramin'ny taona 2000 tetikasa ara-paritra momba ny fiarovana ami’ny ny loza voajanahary (GRC) ao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Indianina.

  2. Fiara-manidina mpitatitra takitika lasi-pandaminana sy fitondrana entana./.

Mis à jour ( Mardi, 11 Février 2020 04:05 )