IMRA Ratsimamanga. Nahita fanafody manamafy ny hery fiarovana hiatrehana ny Covid-19

Vendredi, 27 Mars 2020 16:54 Madagate affiche
Imprimer

Antananarivo, 26 marsa 2020. Vokatry ny fikarohana nataon’ny "Institut Malgache de Recherches Appliquées" na IMRA Fondation Albert et Suzanne RAKOTO-RATSIMAMANGA ao Avarabohitra Itaosy, dia hita ankehitriny ny fanafody manampy ary manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatan'olombelona, hiarovana amin’ny covid-19. Ity fanafody ity dia azo avy amin’ireo raokandro (zava-maniry atao fanafody na tambavy) misy eto amintsika ihany.


Efa natao andrana ny fanafody ary hita fa mahomby, ary nahazo alàlana avy amin’ny Fanjakana malagasy sy avy amin'ny OMS. Noho izany dia hotsinjaraina amin’ireo toerana fivarotam-panafody izy io mba hahafahan’ny rehetra manjifa azy.


Azo jifaina eny amin'ny
toerana fivarotam-panafody satria efa neken'ny Fanjakana malagasy sy ny OMS ihany koa.

Samia mankeny amina toerana fivarotam-panafody ary tsindrio tsara hoe : FANAFODY ATAO ARO TSIMOKA ARETINA (ATA) VOKARIN'NY IMRA

KIT PREVENTION : 27.000 ariary ary misy désinfectant sy savon ary hevoka 2 tavoahangy sy ATA sachet iray ny Kit.

ATA kosa : 3500 ariary


Vokatra lehibe tokoa ireto navoakan’ny IMRA ity, ary izao no manaporofo fa tena ilaina ary atao laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zava-maniry misy eto amintsika satria sady harena no miantoka ny fahasalamana ihany koa.

Andry Rakotonirainy