Madagasikara Coronavirus, 1 Aprily 2020, 12h. 54 ireo olona voamarina fa mitondra ny otrik’aretina covid-19

Mercredi, 01 Avril 2020 16:48 Madagate affiche
Imprimer

DIMY AMBIN'NY DIMAPOLO (54) no isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny otrik’aretina covid-19. Ny 4 amin’izy ireo dia ireo antsoina hoe « contact ». Izany hoe Malagasy eto an-toerana tsy avy ivelany nandeha fiaramanidina na raoplinina fa nifampikasoka tamina olona avy ivelany tratra io covid-19 io. Ny 3 amin’izy ireo dia eto Antananarivo ary ny 1 any Toamasina.


Ny dikany dia miisa 6 ny totalin’ny Malagasy eto an-toerana misy ny otrik’aretina covid-19 ary efa tsaboina amin’ireo toerana voatokana ho an’izany. mino isika aloha fa mafy ny fanefitra na « anti-corps » ao amin-dry zareo. Satria na misy ilay otrik’aretina ry zareo dia salama aloha izy ireo. Izay no atao hoe « porteurs sains ».


Hatreto kosa aloha mbola tsy nisy ny aina nafoy noho ny coronavirus eto Madagasikara.
Ho antsika rehetra kosa dia averina eto hatrany ny hafatra mahomby indrindra :


AZA MIVOAKA NY TRANO MBA TSY HIFANENA AMINA OLONA CONTACT TSY AMPOIZINAO!

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Mercredi, 01 Avril 2020 17:30 )