Paris. Matin'ny covid-19 ny Diakonina Zoky Landy (MRE)

Samedi, 11 Avril 2020 08:50 Madagate affiche
Imprimer

Tsy mifidy saranga sy fihaviana mihitsy ity coronavirus covid-19 ity rey olona a ! Ny 8 Aprily 2020 teo dia namoy ny ainy tao Paris (France), vokatr'io aretina io i Zoky Landy, Diakona ao amin'ny Fiangonana MRE (Messagers Radio Évangélique). Izay ihany no fantatra momba azy hatreto. Na ny tena anarany, na ireo havany any an-dilambato sy eto an-tanindrazana, na ny toerana fonenana any ampita dia tsy tonga taty aminay ny mombamomban'izany rehetra izany. Fa io ambony io ny sariny, izay hita ao amin'ny Facebook ihany koa.

Tsiahivina fa dia i Zoky Landy no teratany malagasy faha-4 matin'ity areti-mandoza maneran-tany ity, ivelan'i Madagasikara, taorian'ny Profesora Jean Jacques Razafindranazy, tany Lille France; ny Mpitandrina Raliterason Ravanona Ramaharavo tany Dreux, France, ary ny infirmière Soamaro Françoise tany Enghien, Belgique.

Tsy mahita ho tenenina intsony aho fa mivavaha isika mianakavy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ireo havantsika efatra ireo, indrindra amin'izao ankatoky ny Paska 2020 izao.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 11 Avril 2020 08:55 )